Lehilahy iray tokony ho eo amin’ny 58 taona eo no tra-tehaka nisoloky olona sy nisandoka ho mahatafiditra ho mpiasa eny amin’ny fandraharana ny fonja, « agent pénitencier » ka nosamborina. Manatona olona tia an’io asa io izy, ary noho ny fahaizany miresaka dia nisy tokoa ny voasolokiny. Afaka nampiseho taratasy misy fitomboka sy ny sonian’ny lehiben’ilay sampandraharaha izy tamin’izany. Roboka ilay olona. Rehefa nojerena anefa, sandoka ilay taratasy : sandoka ny fitomboka, tsy izy koa ny sonia. Ary ny tena angano, anaran’olon-kafa no napetrany tamin’ilay taratasy. Soa fa tratra ny nafeniny. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa efa nigadra teny Antanimora noho ny fampiasana hosoka ity rangahy ity. Izao tratra izao indray izy.
r.s.