- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAntsatrana-Tsaratanàna : Olona nampiahiahy lavon'ny balan'ny Zandary

Antsatrana-Tsaratanàna : Olona nampiahiahy lavon’ny balan’ny Zandary

Ilay jiolahyb voatifitra

Nahazo loharanom-baovao tamin’ny olona tsara sitra-po ny Zandary avy ao amin’ny  » Poste fixe » ao amin’ny fokontan’Antsatrana, kaominina ambanivohitra Manakana, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, fa misy olona 11 lahy , izay mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, hiditra ao amin’ny tanànan’ny Antsatrana nanomboka ny Zoma faha 10 May 2024 teo. Rehefa nahare sy nahazo fampilazana ny mpitandro ny filaminana, tonga dia tsy niandry ela, fa niroso tamin’ny fandraisana fepetra, ka nohamafisana avy hatrany ny  » Couvre à feu » sy ny olona mivezivezy eo an-tanàna. Nandritra ny fiambenana natao ny Alahady faha 12 May 2024 teo, dia hita fa misy olona iray miôdiôdy tonga tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io no nampilaza ny Zandary tao an-toerana avy hatrany ireo vatan-dehilahy nanao fiambenana. Natao ny fisavana an’ilay lehilahy, ka hita fa tsy nahitana karam-panondro sy pasipaoro teny aminy. Tsy nisy nahaizana azy mihintsy. Rehefa natao ihany koa ny fanadihadiana ny olona tao an-tanàna, dia tsy misy mahafantatra an’io olona io. Taorain’izay no voatery tsy maintsy notazomina tao amin’ny biraon’ny Zandary tao Antsatrana, mba ahafahana manokatra fanadihadiana sy famotorana momba azy. Ny Alahady tokony tamin’ny fito ora hariva, dia nanao fomba namahana ny tady namatorana azy ity lehilahy ity, ary nilefa amorin’ny reniranon’i Betsiboka, rehefa resitory ny mpiambina tao amin’ny birao. Taitra ny Zandary sy ny fokon’olona, ka nifanenjehana ity farany, saingy nanompa sy namaly tamin’ny tora-bato. Nampijanona azy sy nanao fampitandremana ny Zandary, ka tsy nijanona intsony ny lehilahy fa nanao avoto ra-tongotra. Teo no voatery tsy maintsy nampiasa ny fitaovam-piadiana ny Zandary, mba hampijanona azy, saingy tsy tana intsony ny ainy no niafara tamin’izao fahafatesan’izao. Noho izany dia nampilàzana ny dokotera hanao  » Constatation. » Raha ny fampitam-baovao hatrany dia milamina tanteraka ny any an-toerana amin’ny an-kapobeny.

Ratantelyy

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici