Nahoraka tamin’ny tambajotran-tserasera “facebook” omaly , fa nisy mpiasan’ny jirama matin’ny herinaratra teto Toamasina, raha niakatra andrin-jiro tao Valpinson, nikasa hanamboatra herinaratra. Raha ny tena marina anefa, dia tsy may ny herinaratra izany ity mpiasan’ny jirama ity, fa safotra teny ambony andrin-jiro noho ny aretina nitaiza azy tamin’io fotoana io. Nambaran’ny jirama, fa herinaratra 20.000V no namboariny tamin’izany, noho izany tsy maintsy tapahana izany alohan’ny mpiasa mpanamboatra mikitika izany, ka izay no nitranga tamin’ity zava-niseho ity. Manamarina izany ny tsy fisian’ny fahamaizan’ny herinaratra tamin’ny vatany raha nisy ny fitondrana azy teny amin’ny hopitaly Morafeno, izay azon’ny rehetra vangiana sy tsidihina ihany koa hoy ny Jirama hialana amin’ny vaovao diso amin’ny tranon-kalam-pifandraisana samihafa. Efa mihatsara ny fahasalamany izao, satria isan’ny aretina nahazo azy tampoka tamin’ny fotoana nahatorana azy teny ambony andrin-jiro ny fiakaran’ny tosidra tampoka taminy na mbola tovolahy aza ilay mpiasa.
Malala Didier