- Publicité SW45 -
vendredi, septembre 6, 2024
AccueilFaits-DiversRaharaha Tahina Rasta : Olona roa migadra mandra-pahafaty

Raharaha Tahina Rasta : Olona roa migadra mandra-pahafaty

Nivoaka ny didy mahakasika ny famonoana efa nomanina an’i Tahina Rajaonavah na Tahina Rasta. Io farany izay novonoina tamin’ny fomba feno habiabiana ary ny taolany sisa no hita, tamin’ny volana martsa lasa teo. Ny akanjo nanaovany sisa izay hita teo amin’ny manodidina no afaka nahafantarana azy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia olona telo no nidoboka am-ponja. Tsy nijanona hatreo anefa ny raharaha fa nitohy ihany ny famotorana nataon’ny zandary. Teo no nanomboka hita taratra fa resa-pianakaviana no niseho ary nitarika tamin’ny famonoana ho faty. Nandeha ny fitsaràna, folo volana taty aoriana, ary olona roa no nigadra mandra-pahafaty. Ireo dia nahitàna dian-drangotra tamin’ny fotoana nisamborana azy. Izany hoe niady mafy i Tahina Rasta mba hiarovana ny ainy saingy sendran’ny be noho ny vitsy. Havam-badin’i Tahina Rasta avokoa ireo. Ankoatr’izay dia nisy roa hafa izay nigadra 15 taona sazy mihatra noho ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana. Fantatra koa fa efa migadra any Lafrantsa ny vadin’ny maty rehefa tafiditra tamin’ity raharaha heloka bevava ity. Resa-bola izay tsy voaverina no tao ambadiky ny famonoana. Raha tokony naloa ny volan’olona dia naleo ilay olona no novonoina. Ny tena nahataitra ny maro dia ny vadiny ihany no atidoha nikotrika ny famonoana azy. Raha tsiahivina tokoa dia lasa niondrana nody tany ivelany izy kanefa ny vadiny hita faty teto Madagasikara. Io koa dia isan’ny niteraka fanahiana mafy ary azo lazaina fa noho ny fahaizan’ny mpanao fanadihadiana dia nivoaka avokoa ny marina tao ambadik’ilay raharaha. I Tahina Rasta dia olona nila ravinahitra tany ivelany saingy mba nandalo kely teto an-tanindrazana mba hiala sasatra miaraka tamin’ny fianakaviany no io nisy namono io.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici