- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAfon’ny lalaon’ny nosy : Olona roa naratra mafy, zaza maro no very

Afon’ny lalaon’ny nosy : Olona roa naratra mafy, zaza maro no very

Araka ny fandaminana dia ny alahady tamin’ny 4ora no nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ilay afo ny lalaon’ny nosy hatao eto amintsika. Nisy ny fitsenana nakotroka natao tamin’izany, ka olona maro sy mpanao fanatanjahan-tena maro no tonga nitsena izany ary nitanjozotra nihazo ny moron-dranomasina nanaovana ny lanonana fandraisana izany tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany tany ho any. Efa maro koa ireo niandry ny fahatongavan’ilay afon’ny lalaon’ny nosy teny amoron-dranomasina, ka tamin’ny 6ora hariva tany ho any vao tonga izany. Nandritra ny fahatongavan’izany anefa dia maro ny zava-nitranga teny amoron-dranomasina satria noho ny fifanosehana tamin’ireo mpijery ny fety dia maro ireo naratra, ary olona roa tsy maintsy nampidirina hopitaly noho ny fahavoazana mafy nahazo azy ireo, izay nivoaka ny hopitaly ny alatsinainy maraina teo. Ankoatra izany dia maro koa ireo zaza very nandritra ny lanonana teny amoron-dranomasina noho ny antsoantso nataon’ireo mpanentana teny an-tsehatra nisy ireo mpanan-kanto, maro ireo hita nefa maro koa ireo tsy hita nandritra ny lanonana. Efa andro alina be moa vao nisaraka ny daholo be tamin’ity lanonana teny amoron-dranomasina ity. Ao anatin’izany anefa dia nanamafy ny antso efa nataony amin’ny fanamboaran-dalana eto Toamasina efa simba be ny mpiara-dia amin’ny Maitre Tody Arnaud. Nilaza koa izy ireo ny fampijanonana ny famarotana ireo toeram-bahoaka sy ny lalam-bahoaka ataon’ny kaominina, fa efa manomboka ho tsy hisy izy ireny amin’izao. Manginy fotsiny moa ny fanamboarana ilay gymnage eo amin’ny kianja monisipalin’i Toamasina izay tsy mety vita noho ny zava-misy ao aminy amin’ny fitokonan’ny mpiasa matetika noho resa-bola.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici