- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Olona roa natao takalon’aina

RN4 : Olona roa natao takalon’aina

Mbola manjaka ny halatr’omby.

Mirongatra tanteraka ny fanaovana takalon’aina any amin’ny tontolo ambanivohitra. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tsararova, ao amin’ny distrikan’ny Tsaratanàna no naka olona roa ireo jiolahy. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nigadona tao an-tanàna ireo dahalo tsy latsaky ny 30 lahy ary mitam-basy mahery vaika sy zava-maranitra. Omby miisa 130 no lasan’ireo, izany hoe notetezina avokoa izay vala nisy io biby fiompy io. Mbola manamarina koa izany fa nanam-potoana ireo dahalo nandrobàna ilay tanàna satria ny omby rehetra tao no saika lasan’ireo avokoa. Tsy vitan’izay fa mbola nisy olona roa natao takalon’aina, entina hampihemotra ireo mpanara-dia izany. Tsy nanakana ny mpitandro ny filaminana sy ny mponina nanatontosa ny fanarahana ireo dahalo izany. Iny alina iny ihany dia efa nisy ny fifandonana voalohany saingy tsy naharesy tosika ny dahalo maro an’isa ireo nanara-dia. Nampiana an’isa ny mpitandro ny filaminana ary ity andiany faharoa ity vao tena nampihemotra ny olon-dratsy. Vokatr’izany dia afaka ireo takalon’aina aloha. Tsy nisy fandoavàna vola arak’izany. Mbola nitohy hatrany ny fanarahan-dia satria mbola maro tamin’ireo omby no tsy tafaverina. Mora tantaraina ny zava-nitranga fa raha tena raisina sary an-tsaina dia toa ireny amin’ny horonan-tsary “commando” ireny ny iainan’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana any ambanivolo lavitra any. Misesy tanteraka ny fakàna an-keriny, ny asan-dahalo ary koa ny fakàna takalon’aina. Ny asan-dahalo dia efa nisy ihany hatramin’izay saingy ankehitriny tena sahy mamono olona ireo olon-dratsy. Ny fakàna an-keriny indray dia karazana heloka bevava izay tsy nisy afa-tsy teto an-drenivohitra kanefa tao anatin’ny taona vitsivitsy izay dia lasa niampita any ambanivohitra sy lasa fanaon’ny dahalo koa. Hatreto dia ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana no isan’ny manamora ny asan’ireo olon-dratsy. Eo ihany ny basy vita gasy fa ankehitriny dia efa mitàna basy mahery vaika ny dahalo. Irony kalachnikov irony dia isan’ny tena ampiasain’izy ireo. Dia azo sary an-tsaina raha sarotra ny manohitra azy amin’ny tranga sasany satria sady maro an’isa no mahay tsianjery ny làlana handosirana ary mahafantantra ny zohy rehetra azony hiafenana sy hanefanana izay azo.  

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici