Raha somary efa nilamindamin-dratsy ny asan-dahalo sy ny resaka fakana an-keriny, any amin’iny ilan’atsimon’i Tsaratanàna iny, tao anatin’ny volana maro lasa izay dia niverina nirongotra indray ny trangana fakana an-keriny. Ny fampitam-baovao amin’ny antso an-tariby no nahalalana fa jiolahy niisa dimy niaraka tamin’ny basy » Kalachnikov, » niampy zava-maranitra no tonga nanatanteraka ny asa-ratsy tao amin’ny tanàna atao hoe: Babangy, fokontany Mamavo, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, disitrikan’i Tsaratanàna ny alakamisy faha-12 septambra taona 2024 lasa teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any. Rehefa nigadona teo amin’io tanàna voalaza etsy aloha io ny malaso, dia nanapoaka basy, hoentina handemena ny mponina tao an-toerana mba tsy hivoaka ny trano. Tokatran’olona iray no nidiran’ireo dahalo amboletra, ka olona niisa telo tao anatin’ity trano ity no tonga dia noentina an-keriny, ka vehivavy ny roa, raha lehilahy ny iray tamin’ireo lasa an-keriny. Ora maro taty aoriana vao samy nivoaka ny trano ny olona tsirairay avy no niantso an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana nalaky hanao fanarahan-dia avy hatrany. Ny angom-vaovao voaray tamin’Atoa Thonny Randriamalala, solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tany Tsaratanàna no nanamarina fa nizotra nian-tsinanana hihazo any Marotsopoy/Anjozorobe ny lalan’ireo jiolahy mpaka an-keriny, Sady nanamafy ihany koa ny solombavambahoaka tamin’ny teny hoe: na vola telo hetsy ariary, aza no hotakin’ireo malaso amin’ny fianakavian’ireo olona nalaina ankeriny, dia tsy manana izany izy ireo noho ny fahasahiranana misy amin’izy ireo, saingy mety diso adiresy ireo olon-dratsy hoy hatrany ny fanazavany Depiote Thonny taminay. Mbola tsy votsotra kosa moa ireo olona nalaina an-keriny hatramin’izao hamoana ny lahatsoratra izao.
Ratantely