- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOlona voasambotra tao Maevatanàna : Nitonona ho havan’ny Praiministra ary nikasa hanao kolikoly...

Olona voasambotra tao Maevatanàna : Nitonona ho havan’ny Praiministra ary nikasa hanao kolikoly tamin’ny zandary

Fisandohana anarana sy taratasim-piara tsy ara-dalàna niampy fikasana hanao kolikoly no hita nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Ny andron’ny alakamisy faha 14 marsa 2024 teo no nanatanteraka ny asany amin’ny fiandrasana ny lalam-pirenena, ireo zandary avy ao amin’ny BPR: « Brigade Police de la Route Maevatanàna », teny amin’ny tanàna atao hoe: Marokoloy, kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato antin’ny disitrakan’ i Maevatanàna, ka fiara roa (02) mitondra laharana vahiny, handeha hianavaratra, izay mivezivezy miaraka amin’ny taratasy « modèle N°1 » sy assurance efa lany daty no hita nandritra ny fisavana nataon’ny zandary. Rehefa nohadihadian’ireo zandary ireo tao anaty fiara, dia nalaim-panahy avy hatrany izy ireo, ka nanolotra lelavola ho an’ireo mpitandro ny filaminana, hahazoana ny  » Contravention » mba hanamora ny lalana hatrany Antsohihy. Nandà izany anefa ireto farany, ary nanazava indray ny mpamily iray fa an’ny zaobavin’Atoa Praiminisitra an-kehitriny ireo fiara ireo. Nampitandrina moa ny zandary amin’ny tsy maintsy handoavana raha vao mandalo ao Maevatanàna sy ny hanantsoin’io anabavin’ny Praiminisitra io ny zandary manamboninahitra tompon’andraikitra aty Betsiboka, mba hampahafantatra ny tranga misy. Rehefa izany dia, niantso ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary aty an-toerana ny « Commandant Aide Camp » ao amin’ny Primature no nanome baiko ny hampanaraka ny lamina mifanaraka amin’ny lalàna. Manoloana io antso io, dia nanatanteraka fisavana fanindroany ny kaomandin’ny vondron-tombim-pileovan’ny zandary, ka hita fa tsy nandoa assurance ry zareo. Mbola tsy nisalasalasa ihany ireo olona niaraka tamin’ny fiara ny hanao kolikoly tamin’ny lehiben’ny zandary, ka nanolotra lelavola 200000 Ariary ary nampiakarina 400000 Ariary indray. Nananamafy sy nampitandrina hatrany ny kaomandin’ny vondron-tombim-pileovan’ny, fa kolikoly izany. Na teo aza anefa io fampahafantarana ataon’ny tompon’andraikitra io, dia tsy nasakana azy ireo, fa mbola nanolotra vola 200000 Ariary sy ( ravim-bola 200000 Ariary miisa folo.) Voatery nandray fepetra nisintona antontan-taratsin’ny, ary nametraka ny fiara ho  » Fourrière » ny fiara roa ireo. Nosamborana ihany koa ny nanao kolikoly, olona roa avy ao Ambilobe, izay teo anatrehan’ny sivily roa, izay vavolombelona ny tranga. Ny zandary ao amin’ny tobim-paritra eto Maevatanàna no misahana ny famotorana. Nandritra ny fanadihadihana natao teo anatren’ny vavolombelona roa no nahafatarana, fa tsy misy rohim-pihavanana amin’ny Praiminisitra akory ireto olona voatazona ireto.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici