- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversOmbay mitady : Ilazao vaovao mikasika an’i Dadafarandria

Ombay mitady : Ilazao vaovao mikasika an’i Dadafarandria

Efa tamin’ny volana septambra 2014 no tsy tonga naka ny vola fisotroan-drononony, ny lehilahy iray antsoina Randriamparany Julien na Dadafarandria na koa Dadarandria, zandary efa misotro ronono. Sahiran-tsaina ny fianakaviana amin’izao fotoana izao amin’ny tsy fahitana azy tamin’ny zavatra rehetra, na an-kasoavana izany na an-karatsiana niseho. Mirefy 1,80m  izy ary eo amin’ny 69 taona eo. Salama saina tsara, hoy hatrany ny vaovao avy amin’ny fianakaviany.  Tany amin’ny tanàna antsoina Ambatofotsikely, fokontany Antsampandrano Mananara, kamonina Ambohitseheno, distrikan’i Manjakandriana izy no nonina. Efa nitady azy ny havany, fa tsy nahita mangirana. Amin’izao fotoana izao, mangataka izy ireo mba hampandre na hiantso ny laharana telefaonina an’Atoa Zazah 034 436 29 na ny 032 03 009 24.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser