Zaza tsy nanana olana tao an-tranony sy salama saina tsara ary tsy maditra I Avotra. Miasa saina mafy ireo ray aman-dreniny fa mbola tsy hita nanomboka ny zoma 4 novambra lasa teo izy raha ho any Andravoahangy no nialany tao an-tranony. Noho izany, miantso fanampiana amin’ny tsara sitrapo ny fianakaviany mba hitadiavana azy. Toy izao manaraka izao ny mety hamantarana azy : zazalahy fotsy fihodirana, mirefy eo amin’ny 1m30 eo ho eo, somary holioly volo izy . Nanao akanjo « tee-shirt bleu marine » fohy tanana ary miloko « marron » ny tanan’ilay akanjo, sy pataloa « jean » miaraka amin’ny kiraro « tennis » miloko manga sy mena. Koa hiangaviana izay mahita an’ity zaza ity mba hanatitra azy ao amin’ny fokontany Soavinandriana Anjanahary na ny manampahefana akaiky azy na hiantso ny 033 31 640 30 , 033 13 972 02 , 034 15 128 67 , 033 24 119 60 , 034 19 530 63 . Misaotra mialoha amin’ny fiaraha-miasa tompoko.
T.M.
Zaza firy taona?