- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversOmby 100 lasan’ny dahalo 30 lahy nirongo « Kalach » 4 sy...

Omby 100 lasan’ny dahalo 30 lahy nirongo « Kalach » 4 sy « Mas 36 » roa

Omby 500 nentin’ireo mpanao dabokandro avy any amin’ny distrikan’i Manja, faritra Menabe hamidy any Antsirabe sy Ambositra ary Ambatofinandrahana no notafihana dahalo 30 lahy nirongo basy mahery vaika toy ny « kalach » efatra sy « Mas 36 » roa tao amin’ny Tsiafakalika, fokontany Ambondrona ao amin’ny kaominin’Itremo, ny alakamisy teo. Omby zato no lasan’ireo dahalo tamin’ity fanafihana indray mitoraka ity, ary nianatsimo nihazo ny faritra Tsimanariloka izay mivoaka any Ikalamavony ny dian’ireo dahalo. Nisy ihany ny miaramila izay nanatitra ireto mpandrato mpanao dabokandro ireto teny amin’ny lalana ho tonga ao Ambatofinandrahana, nefa tsy nahavita nanohitra ireto dahalo izay mirongo basy mahery vaika, raha ny vaovao voaray.

 Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser