Miaina ao anaty tebiteby ny vahoaka any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, any amin’ny faritra Boina noho ny firongatry ny asan-dahalo tsy misy fiafarana. Vao tsy ela akory izay no nahita trangana tsy fandriampahalemana niteraka halatr’omby tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambarimay-Ambatoboeny, izay nahalasana omby miisa 110 be izao. Tsy voafaritra izany basy sy ny isan’ireo malaso nanatanteraka fanafihana tamin’izany, fa omby maromaro tao am-balan’olona samihafa no lasa. Soa ihany moa fa tsy nisy ny aina nafoy sy ny naratra nandritra izany, satria niezaka tsy nampiasa basy ny dahalo, raha ny fampitam-baovao voarainay avy any an-toerana. Rehefa voafehy ny tsy fahafahany mponina nivaoka ny trano dia, lasa moramora ny jiolahy niaraka tamin’ny omby nangalarany. Efa ho andiny iray taty aorina, vao nifamora ny vatan-dehilahy, ary nanao antso an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana sy ny mpiray dinam-pokonolona amin’izy ireo, ka raikitra ny farahan-dia sy ny sakana. Ireo olona mpiary dina tany amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, no nanao ny sakana teo anelanelany fokontany Mahatsinjo-Valala sy fokontany Bokarano. Ka raikitra ny fifanjevona rehefa nahatazana ny jiolahy nitondra omby miisa efapolo ny mpiray dina. Nisy ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta, ka naharitra teo amin’ny an-tsasakadiny teo izany. Tsy naharesy tosika ny malaso, ary voatery nitari-dositra avy hatrany. Ny omby miisa efapolo ihany koa niraraka sy azon’ireo vatan-dehilahy mpiray dina no noentina namonjy vala-pamonjana ao Mahazomà ireo omby ireo. Ny angom-baovao ihany koa no nahalalana fa nizarazara ny jiolahy nitondra ny omby nangalarany avy any Ambarimay-Ambatoboeny, ka ny omby efapolo ihany no efa nilatsaka teo am-pifanjevona, fa ny fitopolo ambiny mbola karohana hatramin’izao hamohanay ny lahatsoratra izao.
Ratantely