Tsy mbola milamina hatreto ny raharaha mikasika ireo omby miisa 500 mahery nogiazan’ny mpitandro ny filaminana tao Antanimeva tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra lasa iny. Voalaza tamin’izany fa omby tsy madio izy ireo, ary ahiana ho miray tsikombakomba amin’ny dahalo ilay antsoina hoe Jaonary, izay voalaaza fa tompon’ireo biby ireo. Manda izany fiampangana izany anefa ny Fikambanan’ny Mpiompiomby Gasy (FIMPIOMBY GASY), izay nivoaka tamin’ny fahanginany ka nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly. Nandritra izany no nanamelohan’izy ireo ny fomba nakana ireo omby ireo izay nambaran’ny Filoha nationalin’ity fikambanana ity jadona sy fanamparam-pahefana nataon’ny lehiben’ny Dina sy ny Depiote voafidy tao Morombe. Tsy vitan’izay fa mbola nampiasain’ireo olona ireo ihany koa ireo miaramila izay manao fampandrian-tany any an-toerana mba hanatanterahana izany asa fandrobana fanan’olona izany. Tsy nanaraka ny lalàna ny fomba nolazaina fa namerenana ireo omby ireo tamin’izay nilaza fa olona very omby ka nilaza fa nanana tao. Noho izany, manambara ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana mahefa mpitarika ity Fikambanana ity mba hivoahan’ny marina rehetra momba izany. Mialoha izany anefa, dia manome herinandro, manomboka ny mason’andro ny omaly, ny FIMPIOMBY Gasy mba hamerenana ireo omby marobe ireo amin’ny Tompony. Tsy ny an’andriamatoa Jaonary ihany fa izay rehetra voan’ity karazana fandrobana na « dramotsy » ity, izay mahatratra hatrany amin’ny 1700 omby any ho any, hoy ny filazan’ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny fikamabanana. Takian’ny FIMPIOMBY GASY ihany koa ny hamerenana tsy misy hatak’andro ny fiara tsy mataho-dalana (4×4) miisa roa izay nogiazana tamin’ny nakana ireo omby ireo. Ary satria mbola mametraka ho ambony ny fifampiresahana amin’ny samy olon-dehibe ny FIMPIOMBY GASY, dia miantso ny Filoham-boninahitra ny fikambanana, sady Praminisitra teo aloha no zanaky ny Faritra Atsimo, Monja Roindefo mba hiditra hanelanelana amin’izao raharaha izao. Miantso ihany koa ny hanaovana fikaonandoham-pirenena mba hijerena ny hanatsarana sy handrindrana ary hiarovana ny fiompiana omby eto Madagasikara. Ireo izay nandray fitenena nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity dia samy nanamafy avokoa fa tsy mbola hita izay vokatry ny asa fampandrian-tany atao any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny hantreto. Mbola manjaka ny dahalo ka tsy afa-mamokatra ny vahoaka fa voatery mandositra any an’ala.
T.M.