- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-Divers« OMSI » Toamasina : Hahazo fiara fitondrana marary sy toeram-pandidina…

« OMSI » Toamasina : Hahazo fiara fitondrana marary sy toeram-pandidina…

Nanao ny fifampiarabana noho ny taona vaovao 2021 ny mpiara-miasa sy ireo mpiara-miombona antoka aminy ny teo anivon’ny OMSI na “Organisation Médico-Social Interprofessionnelle” Toamasina. Tao amin’ny trano fanaovam-petin’ny “congregation chinoise” Ampasimazava Toamasina no nanaovana izany, izay nafanain’ny tarika Elidiot.

Nandritra izany no nilazan’ny tale jeneralin’ny OMSI Dr Benessy Harison Sebastien, fa nisy fihenana ny fidiram-bolan’ny OMSI nandritra ireny Covid-19 ireny satria orinasa 26 no voatery nampihena ny mpiasa tao aminy vokatry ny valanaretina, raha orinasa 14 kosa no nampiditra ny mpiasa ho “chomage technique” nandritra izany. Saika ireo orinasa goavana mampiasa mpiasa maro mpikambana eo anivon’ity OMSI ity avokoa ireo tratry ny olana ireo, ka voatery nanara-dia azy ireo koa ny OMSI ka nampihena hatrany amin’ny 70% tao anatin’ny roa volana ny karaman’ny mpiasa izay tsy maintsy niasa 15 andro mifandimby isan’andro tamin’izany. Nandritra ireny valanaretina Covid-19 ireny anefa dia tsy nitsahatra nanentana ny mpikambana sy ny orinasa samy hafa ny OMSI fa miasa ho azy ireo hatrany.

Na teo aza ireny valanaretina ireny dia nanaiky hatrany ny orinasa ny hanaovana ny fitiliana (audit) mikasika ny fahazoana ny ISO avy amin’ny “Afnor” aty amin’ny ranomasim-be Indiana. Ny faran’ny taona teo dia azon’ny OMSI ny ISO 9001-2015 momba ny kalitao ny asa eo anivon’ny sampana’asa efatra ao aminy, ka isan’izany ny fitsaboana sy ny zaza sy ny ankizy, eo koa ny toeram-pampiterahana. Vokatry ny fahazoana izany dia nanampakevitra ny komitim-pitantanany OMSI, fa hapetraka eo anivon’ity ivo-toerana tsy miankina ity nhy toeram-padidiana, indrindra ho an’ny vehivavy saro-piterahana ka ny telo volana fahaefatra amin’ity taona ity ny fametrahana izany, raha efa mandeha ny fanadiadiana samy hafa mikasika izany. Eo koa fividianana fitaovana samy hafa isan’ireny ny fiara fitondra marary izany ho azo afaka iray volana sy tapany, eo ny fitaovana fitiliana maso (ophtalmologie) sy ny fitarafana (échographie) izay efa lasa ny komandiny ny 10 febroary teo, sy ny maro hafa.

Ankoatra izany dia notapahan’ny komitim-pitantanan’ny OMSI ihany koa, fa hakarina 12% ny karaman’ny mpiasa amin’ity taona 2021, vokatry ny fiafian’izy ireo nandritra ny valanaretina Covid-19. Hisy koa ny fahazoana fiara mpitatitra mpiasa amin’ity taona ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici