- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversOMSI Toamasina : Hiova endrika atsy ho atsy

OMSI Toamasina : Hiova endrika atsy ho atsy

Natao ny sabotsy 19 febroary teo ny fifampiarabana noho ny asaramanitra teo amin’ny toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasa tsy miankina, OMSI, Toamasina. Nandritra izany no nanaovana ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ny tale jeneralin’ity toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasa tsy miankina ity, izay tokony efa natao ny 19 novambra ny taona lasa nandritra ny fitokanana ny zava-bita sy ny fahazoana ireo fitaovana vaovao.

Notolorana ny “Grand Officier de l’Ordre Nationale” ny tale jeneraly ny OMSI, Dr Benesy Harison Sebastien, izay ny Jly Ratsara Laurent mpikamban’ny mari-boninahim-pirenena Malagasy. Mikasika ny vina manomboka amin’ity taona 2022 ity dia tena zava-dehibe ny fanatsara ny trano fiasana mba ho lasa R+1 izany hoe asiana rihana iray ity toeram-pitsaboana OMSI ity. Ao anatin’izay no hametrahana ny toerana fitehirizan-drà, ny toerana fitsaboana nify, fanatsarana ny toeram-pitarafana samy hafa. Eo koa ny toerana toeram-pandidiana manaraka ny fenitry ny fitsaboana amin’ny lafin’ny rehetra, izay tsy maintsy ho vitaina amin’ity taona ity raha ny vinavina teo amin’ny mpitantanan’ny OMSI. Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasa roa mendrika indrindra tamin’iny taona 2021 iny teo anivon’ny OMSI Toamasina, Dr Magazay Marcel sy R/kely Rakotoanosy Domoina, ka notolorana taratasim-bola iray tapitrisa ariary avy izy ireo. Ankilan’izany dia nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny minisitera ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalana ara-tsosialy, fa 13% ny Malagasy monja no misitraka izany fiahiana ara-tsosialy izany eto amintsika. Nefa fanamby napetraky ny filoham-pirenena ny asa mendrika ho an’ny Malagasy.

Ankoatra izay dia fanamby napetraky ny mpitantana ny OMSI koa ny fitsinjovana ny mpiasa amin’ny fampiakarana ny karaman’izy ireo, eo amin’ny 184 mantsy ny isan’ireo mpiasa eo amin’ity toeram-pitsaboana ho an’ny mpiasa tsy miankina ity. manana tanjona amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpikambana koa izy ireo izao, satria maro ireo miala ao amin’ny noho ny olon’ireo sehatra tsy miankina amin’ny zava-misy tato ho ato.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici