- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversOng « FAFED » Toamasina : Miady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy…

Ong « FAFED » Toamasina : Miady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy…

Tao anatin’ny 11 volana, na tao anatin’ny ady mafy tamin’ny valan’aretina Covid-19 ny teto Toamasina, dia niasa niady tamin’ny herisetra atao amin’ny ankizy ny Ong FAFED eto Toamasina. Nirongatra loatra izany herisetra izany tao anatin’ny fihibohana sy tao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana nidiran’i Madagasikara ireny. Nisy ny fiaraha-miasan’ny Ong tamin’ny ACPat France izay mpiara-miasa amin’ny AFD sy ny USAID nandritra izany, ka voakasiky ny fandaharan’asa ny tao Toamasina II sy Toamasina I.

Raha ny tao Toamasina II, raha ny voalazan’ny lefitry ny ben’ny tanànan’ny kaominina Suburbaine sy ny talen’ny Zap samihafa, ary ny médecin inspecteur Toamasina II, dia tena maro ny tranga hita sy tsikaritra mikasika ity herisetra amin’ny ankizy ity. Isan’ny nitrangan’izay ny tao amin’ny kaominina Ampasamadinika – Antetezambaro – Ampasimbe Onibe – Mangabe –, fa tena foiben’ny herisetra atao amin’ny ankizy ny ao amin’ny kaominin’i Mahavelona Foulpointe, satria ny renin-jaza mihitsy no mivarotra an-janany amin’ireo olona mpanao izany mba ho vola iveloman’ny ankohonana. Araka ny fanazavana hatrany dia manomboka amin’ny faha-4 taonan’ny zaza ka hatramin’ny faha-14 taonany eo no tena mateti-pitranga ny raharaha. Ho an’ireo kely taona dia ny havany akaiky, dadatoa – zana-drahalahy na anabavy – dadabe…, ihany no mpanao azy. Ankoatra izay, tranga niseho ny volana avrily teo tao Ambalamanasy, zaza 9 taona no nisy nanolana ka simba tanteraka. Noho ilay tambajotra napetraky ny Ong Fafed anefa dia efa hiverina hianatra ilay zazavavy voaolana amin’izao taom-pianarana vaovao 2021-2022 izao.

Ho an’i Toamasina I kosa dia nisy ny fananganana ireo tambajotran’ny tanora an-tsekoly sy eny anivon’ny fokontany entina miady amin’izay herisetra amin’ny ankizy izany. Natsangana noho izay ny tambajotra eo anivon’ny Lycée Jacques Rabemananjara. Ao ny eo anivon’ny CEG Augagneur, ny eo anivon’ny fokontany Analakinina Hopitaly be P/elle 12/21-22, ny ao amin’ny fokontany Mangarivotra atsimo. Izy ireo no hanentana ny namany sy ny manodidina azy araka ny fanofanana nomena azy ireo. Misy koa ireo tambajotran’ny olon-dehibe ahitana ny tambajotran’ny lehilahy sy ny tambajotram-behivavy VMLF, ka izy ireo no manentana indray ireo olon-dehibe amin’izay fiarovana amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy.

Nisy ny lanonana ho fampahafantarana izay rehetra izay ny faran’ny herinandro teo teto Toamasina I, tao amin’ny lapan’ny tanàna sy tao amin’ny kaominin’i Toamasina Suburbaine. Nandritra izany no nampahafantarina ireo mianadahy, Atoa Bizo Mario Jonathan, 16 taona, sy R/kely Raharimalala Véronique, 15 taona,  hisolo tena ny namany amin’ny fihaonam-ben’ny tambajotran’ny ankizy hatao ao Antananarivo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici