Raikitra ny fifandonana teo amin’ny mpianatry ny oniversite Maninday Toliara sy ny mponina avy ao amin’ny fokontany Befanamy, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Olona iray maty , niboraka tsinay tao anaty fifajevoana. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia mpianatra iray 27 taona avy any Betroka, taona voalohany ao amin’ny sampana jeografia no notafihana olona dimilahy, ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora, tao amin’ny fokontany Besasavy hiditra an’i Maninday. Naratra mafy, vaky loha, voafira famaky, ka mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Valifaty. Nanomboka teo, noho ny fifanafihana nisesisesy, dia nanao barazy ny mpianatra hisakanana ny asa ratsy ary tsy misy olona avy any ivelany navela hitsofoka tao amin’ny « campus ». Afak’omaly io anefa, dia nisy olona roa nandeha bisikileta tratra hariva hody any Befanamy nosakanan’ny mpianatra. Niantso vonjy tamin’ny mponina tao Befanamy ireo voasakana. Olona an-jatony tezitra niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana no avy hatrany dia nanafika ny trano fonenan’ireo mpianatra. Potiky ny tora-bato ny varavaram-pitaratra ka vaky, potika ihany koa ny entana sasany. Omaly naraina, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana mba hisoroka ny mety hisian’ny korontana vaovao sy valifaty indray.
Manitrisa