- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversite Andrainjato : Nosavaina ny tranon’ilay nahafaty olona

Oniversite Andrainjato : Nosavaina ny tranon’ilay nahafaty olona

Ankoatra ny fivoahan’ny didy fampisamborana, ny fampilazàna fikarohana isan-karazany izay efa niparitaka eraky ny paositry ny mpitandro ny filaminana dia niroso tamin’ny dingana hafa ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny polisy ao Fianarantsoa. Nosavaina ny tranon’i  Jao Marinjara Stephan raha vao nahazo alàlana tamin’ny filohan’ny oniversiten’Andrianjato ny tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana. Raha tsiahivina dia notontan’io mpianatra lalàna io tamin’ny vato ny lohan’ny lehillahy lehibe iray izay noampangainy ho nangalatra ny fitaovana famahanana herinaratry ny findainy. Efa nifona ilay rangahy na dia tsy tena voamarina aza fa tena izy tokoa no tompon’antoka tamin’ny halatra. Tsy nahoan’ilay tovolahy izany fa dia novonoiny tamin’ny vatobe, ary izany rehetra izany dia teo imason’ny olona marobe. Ireo koa dia nitazam-potsiny, toa ireny nijery sarimihetsika ireny, kanefa dia tao anatin’ny tokotanin’ny oniversite no nitranga ilay heloka bevava. Betsaka ny zavatra azo tsoahina amin’ity tranga ity saingy ny akaiky indrindra dia ny hoe : olon-dia ve no ampianarina any amin’ny oniversite ? Mamono olona, mijery fotsiny mpamono olona sns. Ary tsy vao izay no nitranga ny fitsaram-bahoaka sy heloka bevava tao anatin’ny toeran’ny fampianarana ambony toy izao, tany amin’ny faritra hafa.

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici