- Publicité SW45 -
samedi, décembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversite Barikadimy Toamasina : Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha vaovao

Oniversite Barikadimy Toamasina : Vita ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha vaovao

Natao ny zoma 06 main teo tao amin’ny birao fiasan’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, ny famindram-pitantanana teo amin’ny filoha vonjy maika, Dokotera Joel Randrianantenaina, sy ny filoha vaovao vao lany tamin’ny fifidianana nataon’ireo mpiasa sy ny mpampianatry ny oniversite, Dokotera Diny Razanakolona, izay sojaben’ny DEGMIA teo aloha no talen’ny kabinetran’ny minisitry ny famianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Telo taona azo havaozina indray mandeha ny maha-filohan’ny oniversite; ka ho an’ity filoha vaovao hitantanana ny oniversiten’i Toamasina ity dia mazava ny sori-dalana ho azy, dia ny fametrahana filaminana eo anivon’ny oniversite, mba ahafahana miasa ara-dalana sy hisian’ny fitonia amin’ny fampianarana. Ny faharoa amin’ny tanjona dia ny hampiakatra ho avo lenta ny kalitaon’ny fampianarana; ary fahatelo dia ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo orinasa goavana sy lehibe vahiny na Malagasy eto Toamasina, sy ny fiaraha-miasa amin’ireo avy any ivelany. Ankilan’izany dia ho jerena akaiky ihany koa ny trosaben’ny Oniversiten’i Toamasina, ary atao ihany ahafahan’izany manomboka izao. Isan’ny voafidy nandritra ny fifidianana natao ny 07 avrily teo koa ireo sojabe hisahana ny departemanta samy hafa eo anivon’ny Oniversiten’i Barikadimy. Dokotera Joel Randrianantenaina ny sojaben’ny “letters et Sciences Humaines”, Atoa Be Adolphe ny sojaben’ny Degmia, Rtoa Marinette sojaben’ny “Medecine”… Ankoatra izany dia efa mananontanona sahady ny fitokonana eo anivon’ny Oniversiten’i Barikadimy, ka isan’ireny ny raharaha “Fer  Rond” izay famonoana mpianatra iray avy any Ambovombe, ka nisamborana an’ingahy Torozara Erneste teo am-pandosirana tany Befandriana avaratra ny 14 febroary lasa teo raha ny 09 febroary ilay tranga famonoana olona. Nandritra io fisamborana sy famotorana natao io no nilazan’ity Erneste ity anaran’olona maromaro niaraka taminy tamin’ilay raharaha vono olona; ka mitaky ny fisamborana ireo olona ireo ny iray fiavoana aminy, na avoaka tsy hatak’andro koa ingahy Erneste hoy izy ireo. Tsy manaika hamoahana ny voapanga am-ponja vony maika ny zanaky ny “grand sud” ka sarihan-tsaina ny fitsarana sy ny OMC. Mandrangaranga fitokonana vokatra izany ireo zanaky Sofia; ka ho hita eo ny tohiny raharaha…

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici