- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversOniversité Barikadimy : Tovovavy naolana avy eo novonoina

Oniversité Barikadimy : Tovovavy naolana avy eo novonoina

Fatina tovovavy avy naolana mitamba-be no hitan’ireo mpianatra tao Barikadimy sy ireo mponina tao Mangarano II teo ambony kianja filalaovam-baolin’ny oniversite, ny alatsinainy maraina izay noheverina fa novonoina ny alahady alina. Tovovavy manodidina ny 30 taona eo ity maty no nisy nanolana ity araka ny fahitan’ny dokotera eo anivon’ny kaominina sy ireo polisy nanao fanadiadiana nizaha ny razana. Niboridana tanteraka ihany koa ny vatany tamin’ny nahitana azy ary tsy lavitra teo no nisy ireo akanjony. Tsy dia nahitana ratra ny vatany afa-tsy ny tendany izay nahitana faritra mangana be sy ny maha-vehivavy azy nahitana ratra ihany koa. Mitebiteby vokatra ity fanolanana mitam-be niarahana von’olona ity ireo mpianatra vavy ao barikadimy sy ireo mponina manodidina, satria raha efa fahita teo aloha teo ny tranga tahaka izao, ary nisy fiatoana kely tao ho ao, dia izao niverina izao indray, araha ny angom-baovao tamin’ireo mponina manodidina ny oniversite, izay nohamarin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici