Fanintelony izao tamin’ ity taona 2016 ity, no nisehoana fahamaizana trano ny tao amin’ny oniversite-n’ Ambondrona. Saika fifanolanana teo amin’ny samy mpianatra hatrany no nitera-doza. Nahafoizana fananana an-tapitrisany maro ary niteraka fahamaizana sy faharatrana olona 4 mihitsy aza tamin’ity farany ity. Tamin’ny folo ora maraina teo no namboka ny fihantsina teny an-toerana, omaly talata io. Tora-bato no nisantatra azy, tsy tapitapitra teo anefa dia nirehitra ny trano, nilodaka ny afo samy may avokoa ny bloc 29 sy 30 nifanila taminy ary tsy nisy noraisina daholo ny fananana rehetra tao anatiny.
Nandritra ny fidinanay mpanao gazety teny an-toerana, no nahalalana fa adin’ireo samy mpianatra no niteraka olana. Lonilony mbola tsy afaka eo amin’ireo mpianatra avy eto Mahajanga (SEMAVI na solidarité Mahajanga ville) sy ny avy any Sofia (SERS na ny solidarité des étudiants Région Sofia) izy io. Resaka famakian’ny mpianatra iray ny fantsona mankany amin’ny trano fivoahana no tena niatombohan’izao fifanolanana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany izao.
Ny andron’io ihany, nandray an-tanàna ny raharaha ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny avy ao amin’ny oniversite nitady vahaolana haingana ho an’ireo mpianatra traboina sy naratra nampiakarina teny amin’ny hopitaly. Ireo mpitandro ny filaminana nanao ny fanadihadiana teny ifotony sy nanao famotorana ireo 2 lahy nosamborina. Ny tomponandraiki-panjakana teto an-toerana kosa izay notarihin’ny préfet- n’i Mahajanga namory avy hatrany ireo izay voakasik’izao raharaha izao, rehefa nitady izay ho vahalona maharitra hampilamina ny oniverste .
Tantely Vandriam