- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversOniversite Mahajanga : Mpianatra samy mpianatra nifanao "kidnapping", 9 no efa voasambotra

Oniversite Mahajanga : Mpianatra samy mpianatra nifanao « kidnapping », 9 no efa voasambotra

Fanindroany izao no nisy ity sahotaka teo amin’ny samy mpianatra ity tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Niainga avy tao amin’ny raharahan-tokantranon’ny fikambanan’ny mpianatra iray ary dia niafara tamin’izao fifamonoana izao. Roa no naratra, vokatr’io herisetra io.
Araka ny fitantaran’ilay mpianatra niharan’io herisetra io dia niainga avy tamin’ny fivorian’ireo fikambanana mpianatra mivondrona amin’ilay hoe BDEUM ny olana. Nanapa-kevitra mantsy izy ireo tamin’izany fa hametraka lalàna noho ny fahavakisan’ny trano matetika ao amin’ny « campus », izany hoe tsy misy olona avela mifamezivezy intsony ao anatin’ny faritry ny oniversite. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpianatra sasany fa nanolotra soso-kevitra amin’ny tokony hamerana azy ho manomboka amin’ny 7 ora alina ka hatramin’ny 7 ora maraina. Ny ampitson’io, nisy nihoa-pefy avy hatrany ny iray tamin’ireo mpianatra ka saika hidaroka zokiolona iray nandalo tao amin’ny « campus ». Tsy nilefitra ireo namany mpiray fikambanana aminy fa avy hatrany dia nandray fepetra nananatra azy. Ity farany anefa tsy tsy nanaiky fa namaly ireo namany ihany koa, sady mbola nikasi-tanana ihany, ka voatery noroahin’izy ireo tsy ho isan’ny mpikambana intsony.
Teo no nanomboka ny lolompo. Nifindra tany amin’ny fikambanana iray ivondronan’ireo avy any Sofia atao hoe « Serche » ilay voaroaka tany amin’ny fikambanan’ny « Semavi », na atao hoe « Solidarité des Étudiants de Mahajanga ». Tany izy ireo no nanao ny tetika rehetra hamaliana faty ireo mpianatra avy eto Mahajanga. Ny asabotsy maraina teo no raikitra ny sahotaka. Notafihan’ireo avy atsy ankilany ireo mpianatra avy tao amin’ny Semavi raha vao maraina ny andro, rehefa nahazo baiko tamin’ny filohany ny BDEUM. Mpianatra an-jatony, raha ny nambara, no nanafika mpianatra 10 tao amin’ny trano fonenany. Norobain’izy ireo avokoa ny entana sy ny fananany tao an-tranony, nopotehan’izy ireo ny solosaina, very ny vola hatao saram-pianarana, nodoran’izy ireo avy teo ny bisikiletan’ilay mpianatra iray filohan’ny fikambanana. Nisy mpianatra iray aza moa azon’izy ireo ka nororitiny nofatorany tany anaty ala, sady mbola maty daroka koa.
Niantso vonjy tamin’ny tompon’andraikitry ny oniversite ireo mpianatra niharam-boina, ny marainan’io ihany, rehefa avy nanao izay sitrapony ireo andiana mpianatra marobe. Namaly ireo tompon’andraikitra fa hanala ny « franchise universitaire » ary handefa mpitandro ny filaminana. Ireto farany avy eo no nampandry fahalemana ny tao an-toerana, sady namoaka ilay mpianatra nafitsak’izy ireo tany anaty ala. Io mpianatra io no atsoina hoe Chrimy, izay mbola tsy tomombana ara-pahasalamana tsara ankehitriny ary lasa tsy maheno tsara intsony. Ireo andiana mpianatra nanafika moa tsy hita intsony fa lasa nandositra rehefa avy naka sy nibata ny entany.
Ny alahady maraina teo ihany dia niezaka ny nandamin-draharaha ireo manam-pahefana eto Mahajanga, notarihan’ny Prefet. Nampiantso ireo ray aman-dreny avy ao Sofia sy ireo tompon’andraikitry ny oniversite. Taorin’io fivoriana io no fantatra fa hanonitra ny simba rehetra ireo ray aman-dreny. Avy eo vao havotsotra ireo mpianatra nosamborina. Ny ao amin’ny oniversite kosa manomboka eto dia tsy maintsy hasiana fepetra hentitra tsy hisian’izao fifamonoana sy fandikan-dalàna izao intsony.
Tantely Vandriam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici