Tapaka naharitra ny jiro teto Toamasina ny alatsinany teo vokatry ny fahatapahan’ny andrin-jiro mpitondra tambajotran’herinaratra. Naharitra be ilay fatapahana ka nahatezitra ireo mpianatra tao amin’ny oniversiten’i Barakidimy, ny fampialaza sy ireo filazana fanaon’ny jirama koa tsy nisy nilaza ny anton’ity fahatapahana ity. Voatery nidina teo anoloan’ny vavahadin’ny oniversite ireo mpianatra nitokona sy nitora-bato, ka nandritra izany no nandalo ity fiara fitaterana nitondra mpiala sasatra teto Toamasina hody ka nahavoa ity renim-pianakaviana iray sy ny zanany. Naratra be ilay ranim-pianakaviana nandritra izany ary voatery nahiditra hopitaly mihitsy. Ilay zaza teny aminy kosa voaro tsara ka tsy nisy nahina ny fahasalamany tamin’ilay tora-bato nahazo azy ireo. Tonga nijery ity reny tra-pahavoazana ity ny filohan’ny oniversite sy ny mpiara-miasa aminy ary ny governoran’Atsinanana mpisolo toerana, niaraka tamin’ny mpiara-miasa taminy koa, ary nilaza ny fandraisana an-tanana ny lany amin’ny fitsaboana rehetra. Avy hatrany dia nanameloka izao fandratrana olona noho ny jiro tapaka izao ny oniversiten’i Toamasina, ary nilaza fa hampanao sy hanao fanadihadiana hahafantarana izay nanao izao fihetsika nitrangan’ny loza izao. Nilaza koa ny oniversite fa tokony ho tony, satria atao fitaovam-panakorontanana ny mpianatra, satria tsy ny oniversite irery no niharitra ilay fahatapahan-jiro fa ny anakamaroan’ny vahoakan’i Toamasina. Miandry izay vokatry ny fanadihadiana mikasika ity tranga ity ny maro, fa ataon’ny sasany ho fialana bala ilay hoe « franchise » oniversitera isaky ny mandray andraikitra ny mpitandro ny filaminana amin’ny tranga tahaka izao.
Malala Didier