Tsy miafina intsony izy ireo fa vao mivoaka ny toeram-pianarana dia efa mamelona ny afo ary mifoka zava-mahadomelina. Mahita an’izany ny olona izay mandalo sy ny olona eo amin’ny manodidina. Ny mponina eo an-toerana aza dia nampandre ny fokontany avy hatrany ary raha ny fantatra dia efa tafita any amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny zava-nitranga. Nisy nilaza aza ireo mponina fa nahazo sary ny hadalan’ireto tanora vavy ireto. Raha ny tsikaritra avy amin’ny tatitra azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eto an-drenivohitra, ary mahakasika ny tanora izany matetika. Misy olona sarona hatrany, ary saika isan’andro, saingy mbola betsaka ihany koa ny miditra ao anatin’ny “bizna”. Omaly izao, raha araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia nisy olona 38 taona voasambotra teny Itaosy. Efa nigadra izy tamin’ny heloka mitovy, saingy mbola sahy niverina amin’ny asany taloha ihany. Mbola sarona niaraka tamin’ny fonosana maro io rangahy io. Tany Toamasina indray dia nisy zaza 14 taona monja, mpianatry ny CEG sarona nifoka zava-mahadomelina. Ny hafetsen’ireo mpivarotra dia ataony to any vidin’ny sigara ny vidin’ny fonosana. Maro arak’izany ny roboka satra ny fonosana iray dia mety mahavita olona maromaro…
D.R