Nafana indray ny teny Vontovorona, omaly maraina. Nivoaka ny faritra misy azy mantsy ireo mpianatra nanao fitakiana ny vatsim-pianaran’izy ireo, roa voalana mbola tsy voarainy. Tsy izany ihany, fa takian’izy ireo ihany koa ny fampandehanana ny “connexion” izay efa nampanantenaina azy nefa tsy mbola tonga hatramin’izao. Ireo izay manomana ny fanandinana farany dia tsy maintsy voatery miakatra tanan-dehibe manao izany vao mahavita. Nirefotra indray ny grenady mandatsa-dranomaso, omaly maraina nanamparitahana an’ireto mpianatra ireto. Ora iray mahery kely taty aoriana, lasa nandeha niverina niditra tany amin’ny f aritra misy azy izy ireo. Tokony ho tany amin’ny 8 ora sy sasany tany ireo mpianatra no nanomboka ny hetsika tamin’ny fametrahana sakana tamin’ny lalana.Vatobe nalahatra tamin’ny arabe sy fandorana kodiarana. Avy hatrany moa dia niatrika teo ny mpitandro filaminana miasa eny an-toerana. Dia nifanandrina teo ny roa tonta. Nisy araka izany ny toratorabato. Afaka fotoana tsy ela anefa, tonga ny Emmo-reg vonona ny handrava ny hetsika. Fantatra teny an-toerana fa nisy ny fanapoahana grenady. Araka ny efa voalaza ery ambony, niverina namonjy ny toerana ireo mpianatra. Tsy nisy ny fisamboarana, tsy nisy koa ny olona naratra.
Taorian’ny fivoriambe nataon’izy ireo no nandraisany ny fanampahan-kevitra ny hivoaka haneho ho fantatry ny rehetra ny fitakiana hataony. Tsy ela taorian’ny fiverenany tany amin’ny faritry oniversite dia efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra miadidy ny Fampianarana Ambony. Fantatra fa nisy ny fampanantenana nomena azy ireo. Miandry izany ry zareo, hoy ny prezidan’ny fikambanan’ny mpianatra nireska tamin’ny mpanao gazety. Ho hita eo izany izay ho tohin’ity hetsika ity anio.
r.s.