- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversOniversiten’Antsiranana : Misy voasambotra ireo nitokona

Oniversiten’Antsiranana : Misy voasambotra ireo nitokona

Nanapa-kevitra hidina andalam-be ny mpianatry ny oniversité omaly. Efa naheno izany anefa ny mpitandro ny filaminana iny alina iny ihany. Natao ny fifampiraharahana tamin’ny “telephone”, mba tsy hidinan’izy ireo amin’izany. Tsy nisy nihaino ary tsy neken’ny mpianatra izany. Niroso ihany ny fidinana omaly ka voatery noravan’ny mpitandro ny filaminana, tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso.

Mpianatra enina no voasambotra nandritra ny fandravana ary nentin’ny mpitandro ny filaminana. Rehefa natao ny dinika dia navotsotra ihany ny sasany mba handresy lahatra ny namany hanajanona ny fitokonana. Anisany tamin’izany i Moise, iray amin’ireo mpitarika tolona. Fa araka ny resaka heno tamin’ny mpianatra dia mitaky ny fiantohana manontolo ny naman’izy ireo naratra nodomin’ny fiara tao anatin’ny oniversité ny mpianatra, eo ka ny fanokafana ny trano “belle rose” ho an’ny mpianatra, ny fandoavana ny vatsim-pianarana iray volana, fa indrindra mahakasika ny fivezivezena ao amin’ny oniversité. Ireo olana ireo, hoy ny lehiben’ny faritra DIANA, dia olana anatiny fa tsy tokony hisian’ny korontana mankaty ivelan’ny campus.  Ho fiarovana ny ain’izy ireo , sao ho hisy mpanararaotra raha nivoaka ivelany, no antony nadraisana fanapahan-kevitra nanakanana azy. Hajaina ny fahafahan’ny rehetra mitaky sy miteny fa tsy tokony hihoatra fefy kosa, fa misy fanjakana ny tanàna, hoy ihany izy. Nanentana ny mpianatra ny lehiben’ny faritra mba hianatra sy hanome hasina ny ray aman§dreny nadefa azy ireo hanovo fahalalana, ho reherehan’izy ireo. Milamina ratsy ny eny amin’ny anjerimanontolo amin’izao, taorian’ny fanakanana nataon’ny mpitandro ny filaminana.

V.JCL

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser