- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Barikadimy : Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, tovolahy iray maty voatifitra…

Oniversiten’i Barikadimy : Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, tovolahy iray maty voatifitra…

Vao marina dia efa nifampitaona teo ivelan’ny Oniversiten’i Barikadimy ireo mpianatra ao anaty fotoam-panadinana nitokona. Ny anton’ny fitokonana dia ny fitakiana ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny “équipement” avy amin’ny fanjakana ho azy ireo. Nambaran’ireto mpianatra tamin’ny hiakiaka nataony fa efa mijaly izy ireo amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, nefa ny vatsim-pianarana fanampiana azy ireo izao tara efa-bolana. Voasakantsakana ireo mpampiasa ny lalam-pirenana faharoa mandalo eo Barikadimy, fa nisy ny fandorana kodiarana nataon’ireto mpianatra nandritra ny fitokonany teo ivelan’ny oniversite. Ankilan’izany anefa dia vao maraina koa dia efa tonga ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny Emmo-Reg, notarihan’ny komandin’ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana. Nisy ny fifandaminana sy fifampiraharahana teo amin’ireto mpianatra sy ny Emmo-Reg teo am-piandohana, nefa nivadika ho gidragidra sy sakoroka izany taty aoriana. Nirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny Emmo-Reg. Namaly tamin’ny tora-bato ireo mpianatra. Nisy ireo mpianatra maromaro naratra vokatr’izany, ka araka ny nambaran’izy ireo dia nampiasa bala tena izy ny mpitandro ny filaminana nandravana ny hetsik’izy ireo nandritra izany. Tsy marina izany, hoy ny mpitandro ny filaminana, fa ny fampiasa amin’ny fanakanana hetsika ihany no nampiasain’izy ireo nandritra izany, ka mety nandratra ireo mpianatra naratra ireo. nilamindamina ny raharaha tokony tamin’ny 11 ora teo, omaly, ary nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo mpianatra sy ny komandin’ny vondrompileovan’ny zandary Atsinanana sy ny Emmo-Reg nifandaminana tamin’ity raharaha sakoroka tao Barikadimy ity. Tsotra anefa ny an’ireto mpianatra dia ny fandoavana ny vatsim-pianarana efa-bolana sy ny “équipement” ho azy ireo, fa tsy izany vatsim-pianarana iray volana sy ny “équipement” izany fotsiny.

8 voasambotra. Mbola mitokona eo anoloan’ny vavahadin’ny oniversite manakana ny lalam-pirenena faharoa ireo mpianatra ny antoandron’ny omaly, mbola mifampihantsy sy mifanandrina amin’ny mpitandro ny filaminana ihany koa izy ireo mandritra izany. Nandritra izany no raikitra ny sakoroka ihany koa tamin’ny famakiana ny trano nisy ireo entan’ny oniversite, toy ny kidoro sy ny hafa, ka mpianatra 08 no voasambotra tamin’izany. Voalazan’ny zandary fa ny 04 tratra nanao ilay sakoroka ny maraina nitora-bato, ny 04 kosa namaky ilay trano tao Barikadimy. Miandry ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra ny mikasika azy ireo. Ankoatra izay dia mpianatra iray no maty voafitry ny mpitandro filaminana, avy amin’ny zandary, hoy ny komandin’ny CRGN Toamasina. Misokatra ny fanadihadiana ny anton’ny fitifirana, na heverina ho “légitime defense” ihany aza ny tifitra nataony tamin’izany, hoy hatrany ny fanambarana nataon’ny komandan’ny CRGN Toamasina, izay voalazan’ny lalana mifehy ny zandary andininy faha-77. Raha ny voalazan’ny mpitsabo nanontaniana, izay nohamafisin’ireo nanatrika izany koa, anefa dia bala roa niditra teo amin’ny faritra misy ny tataviany teo amin’ny fanambanin’ny kibony no nahavoa azy, ary nivoaka teny andamosiny mifanila amin’ny lavabodiny, hoy hatrany ny mpitsabo. Efa nalain’ny fianakaviany ny omaly tolakandro ihany ny razana ary nentina teo anivon’ny tranon’ny ray aman-dreniny ao Mangarano II. Tovolahy 23 taona mpianatra taona faharoa amin’ny toekarena ity maty ity, ary avy any Mananara avaratra misy ny rainy no fiaviany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici