- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Barikadimy Toamasina : Fisamborana mpianatra mpitarika fitokonana, nitokona ny mpianatra ny...

Oniversiten’i Barikadimy Toamasina : Fisamborana mpianatra mpitarika fitokonana, nitokona ny mpianatra ny alakamisy teo

Nitokona indray ireo mpianatra tao Barikadimy ny alakamisy maraina teo, noho ny nambaran’izy ireo fa fanaovana antsonjay amin’izy ireo amin’ny fisamborana ny namana mpiara-mitokona ny alarobia hariva teo. Raha ny fanazavana teo anivon’ny oniversite indray anefa dia nampiantsoana teny amin’ny polisim-pirenena hanarina amin’ny fitarihana fitokonana ataony ireto mpianatra miisa dimy ka nampitokana ireto mpianatra ireto.

Voalaza ihany koa fa aorian’ity teo anivon’ny polisy ity dia saika natao omaly koa ny “Codis” ho azy dimy lahy mpitarika fitokonana ireto. Tsy raikitra izany fanadihadiana sy fakana am-bavany teny amin’ny polisy sy mikasika ilay “Codis” teny amin’ny prezidanasin’ny oniversite, satria niditra tamin’izao raharaha izao ny minisiteran’ny fampianarana ambony nandamina ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny oniversite. Voatery navotsotra teo anivon’ny polisy izy dimy lahy vokatr’izany, ka niverina teny Barikadimy tamin’ny misandratra andron’ny omaly alakamisy, ary noraisina toy ireny olo-malaza ireny tamin’izay fotoana izay. Ankilan’izany dia noravan’ireo andiana mpianatra koa ny fianarana rehetra teny Barikadimy. Noravan’izy ireo ihany koa ny fanazavana momba ny tetibolam-panjakana nataon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny mpianatra DEGMIA.

Ankoatra izay dia nambaran’ireto mpianatra ireto koa fa tsy eken’izy ireo ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina fa lafo loatra ho azy ireo. Manomboka amin’ny 90.000Ar hatramin’ny 900.000Ar izany raha tsy nisy afa-tsy 60.000Ar hatramin’ny 150.000Ar ny any amin’ny oniversite hafa. Mitaky ny fampidinana izany ireto mpianatra mitokona ireto ary tsy hijanona raha tsy mivaly ny fitakiany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici