Mpianatra miisa 14.182 ireo tra-boina eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina taorian’ny rivodoza farany teo. Avy amin’ny 24 ireto tra-boin’ny Oniversiten’i Toamasina ireto araka ny fanazavana nomen’ny oniversite. Notolorana vary 71 taonina ireto mpianatra ifampizarany mba hanalefahana ny fahoriana ara-tsakafo mahazo azy ireo. Tonga nanolotra izany teny amin’ny « campus » ny Oniversite Barikadimy ny solon-tena avy amin’ny filohan’ny fanavaozana dia ny tale kabinetra sivily avy amin’ny primatiora sy ny filoha lefitry ny antenimierampirenana ho an’i Toamasina, ary ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, notronon’ny prefen’i Toamasina sy ny lehiben’ny faritra atsinanana. Nohamafisina nanditra ny fotoana nahavory ireo mpianatra nandritra ny fanolorana ity vary, fa mihaino sy manakaiky ny vahoaka aty amin’ny Oniversite hatrany ny filohan’ny fanavaozana ary tsy nanadino ny oniversiten’i Toamasina na tsy eto an-toerana aza. Nilaza koa ireo nandray fitenana fa tsy azo ekena ny fanararaotana ara-politika ny mpianatra ao anatin’izao fahasahiranana vokatry ny rivodoza nandalo izao. Tonga doa nozaraina teo imasin’ireo mpianatra ny ny vary natolotra azy ireo, ka samy nahazo ny anjaran’ny avokoa ireo mpianatra tonga teo amin’ny fizarana, ary ireo mpianatra ihany no nisahana ny fizarana nandritra izany hisorohana ny fitarainana samy hafa aorianan’izany. Ankoatra izany dia efa ao anatin’ny fandaharam-potona’ny fanjakana Malagasy ny fanatsarana sy fanamboarana ireo foto-drafitrasa simba eo anivon’ny Oniversiten’i Toamasina indrindra ny trano fatorian’ny mpianatra, mba ahafahan’ny fampianarana miroso amin’izany eto Toamasina izay tokony efa niroso tato ho ato izay.
Malala Didier



