- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Fianarantsoa : Lehilahy lehibe fotsy volo, voalaza fa saika hangalatra «...

Oniversiten’i Fianarantsoa : Lehilahy lehibe fotsy volo, voalaza fa saika hangalatra « disktop », matin’ny fitsaram-bahoaka

Rangahy iray mananika ny 58 taona no matin’ny fitsaram-bahoaka, tao amin’ny faritry ny oniversiten’ Andrainjato Fianarantsoa, ny asabotsy teo. Raha ny tati-baovao voaray, dia saika hangalatra « disktop » ana mpianatra iray ity lehilahy lehibe efa fotsy volo ity no tra-tehaka, ka notontana  vatobe teo amin’ny lohany rehefa avy nodarohana. Maty noho ny ratra mafy nahazo azy vokatry ny fahaverezan-drà ity raim-pianakaviana ity. Na dia nifona mafy nandohalika ity rangahy namoy ny ainy, ary nilaza fa tsy hamerin-keloka intsony, dia tsy nananan’ilay tovolahy mpianatra indrafo mihitsy, fa novonoiny teo imasom-bahoaka. Ireo nanatri-maso an’ity vono olona nahatsiravina ity kosa, dia tsy nisy nandrara an’ilay mpamono. Ny sasany tamin’ireo mpitazana moa dia somotroka mafy naka sary sy nanao “selfie” ary nanaparitaka ny zava-nisy nitranga tany amin’ny “facebook”. Samy nanameloka an’ity vono olona niniana natao ity avokoa ny ankamaroan’ny olona, ary manaitra ny mpitandro filaminana mba hisambotra tsy misy hatak’andro an’io mpianatry ny oniversite namono olona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici