Ny 21 Jona lasa teo dia nahitana vono olona nahatsiravina teny Barikadimy, ka raha avy novonoin’ireo andian’olona ity rangahy antsoina hoe Manana Jean Richellin ity, dia narian’izy ireo niboridana teo amin’ny fanariam-pakon’ny oniversiten’i Toamasina. Raha natao ny fanadihadiana savaranon’ando tamin’izany, dia nalefa teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ilay rangahy niandry ny havany. Nanomboka tamin’ny fandraisan’ny fianakavian’ny fatin’ingahy Manana Jean Richellin no nametrahan’izy ireo fitoriana olon-tsy fantatra teny amin’ny polisy misahana ny heloka bevava Toamasina, ary nanomboka teo no nanao ny asany ity sampan’ny polisy ity. Noheverina hoy ny kaomisera nisahana ny raharaha, fa ny alin’ny 20 jona hifoha ny 21 jona 2020 no nanaovan’ireo andian’olona izany vono olona mahatsiravina izany, ka ny alakamisy 06 aogositra teo dia nisy rangahy iray nosamborin’ny polisy fa mifaningotra akaiky tamin’ity vono olona ity. Raha nohenoina ity rangahy ity, dia niaiky ny heloka vitany tamin’ny famonoana an’ingahy Manana Jean Richellin ny tenany ary nanondro ireo namany roa niara-namono azy, tamin’ny polisy ihany koa. Samy niaiky ny heloka vitany izy telo lahy voasambotra ireto tamin’izany, raha ny filazan’ny kaomisera nisahana ny raharaha, ka anjaran’ny fitsarana indray no mandray ny fepetra mifanandrify amin’izany. Raha ny angom-baovao farany, dia miandry fitsarana am-ponja noho ny vono olona nataon’ireto andian’olona telo tratra namono an’i Manana Jean Richellin ireto.
Malala Didier