Ny sabotsy teo no nampahafantarina tao amin’ny oniversiten’i Toamasina ny voka-pikarohana faharoa navoakan’ny Pr Kasy Emiule, mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny sampana misahana ny -toekarena eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina. Boky nampitondrainy ny lohateny hoe “Pauvreté: Impasse Théorique, Problemes Systémique” izany boky vokatry ny fikarohany izany. Somary boky “mihantsy” ireo mpitondra fanjakana sy ny mpampianatra mpikaroka ary ny manampahaizana Malagasy ity boky voka-pikarohana ity, satria ao anatin’ity boky ity no mitanisa ireo antony mahatonga ny firenena Malagasy tsy mety maharesy ny fahantrana ao aminy, ny mpanoratra. Isan’izany raha ny voalaza ao dia “nahoana isika no maika amin’ny fampandrosoana maharitra, nefa ny fahantrana avy tsy mbola voadingatsika”, sy ny filazany fa “mpaka tahaka loatra amin’ny fomba hampandrosoana ny taniny fa tsy mihevitra ny misy eto an-toerana ny mpitondra, ka midona amin’ny rindrina sy ny vatobe hatrany”, manginy fotsiny hoy ity mpampianatra mpikaroka ity ny tsy fanomezana vahana ny tera-tany Malagasy amin’ny fampandrosoana ny taniny amin’ny zava-misy rehetra ara-toekarena. Raha ny otrikarena eto amintsika sy ny fahaizan’ny Malagasy mampandroso ny taniny anefa dia betsaka, saingy variana amin’ny vahiny ny Malagasy ka manadino ireo tena fampandrosoana tokony hataony. Misy 92 pejy eo ity boky voka-pikarohana ara-toekarena malagasy ity, ary telo taona no nanaovana azy ; izay efa hita sy amidy amin’ireo mpivaro-boky eto amintsika nanomboka ny sabotsy teo. Ankoatra ny maha-mpampianatra mpikaroka ny Pr Kasy Emile, dia mpampianatra mpikaroka any ivelany koa izy, ohatra amin’izany ny eo anivon’ny oniversiten’i Lyon sy ny ao Grenoble Frantsa. Ity boky faharoa ity izany no tohin’ilay boky voalohany navoakany ary mbola ho avy ny fahatelo raha ny nambaran’ny Pr Kasy Emile.
Malala Didier