- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Nanao asa tanamaro ireo mpandraharaha…

Oniversiten’i Toamasina : Nanao asa tanamaro ireo mpandraharaha…

Miisa 6.000 ireo nandray anjara tamin’ny asa tanamaro nataon’ny oniversiten’i Toamasina ny talata maraina teo. Tao avokoa ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ireo mpandraharaha ny onivetsite. Rehefa madio ny toeram-pianarana hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina, dia afaka mifantako tsara amin’ny fampianarana ny mpianatra. Efa voafidy ny vigiles isahana ny batiment tsirairay avy, ka hitohy ny fanadiovana miaraka amin’izy ireo raha tafiditra amin’ny efitranony mpianatra. Ireo toko telo mananasa-nahandro eo anivon’ny oniversite dia nandray anjara avokoa tamin’izao asa tanamaro izao, ka zava-dehibe izany hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina. Manomboka ny 01 febroary hatramin’ny 03 febroary ny fidiran’ny mpianatra ao anaty trano ho an’ireo voasoratra anarana sy nandoha ny hofan-trano teny amin’ny banky. Nivoaka ny talata teo ny lisitry ny mpianatra isaky ny varavarana nataon’ny oniversite. Entanina koa ireo mpianatra nitondra ny entan’ny oniversite nandeha nivoaka mba hamerina izany, fa tena ilaina izy ireny no an’ny mpianatra vaovao nahazo efitrano ireto. Misy ny “reclamation” navoakan’ny oniversite amin’izao ary tsy hifarana raha tsy ny 07 febroary izao, fa afaka mametraka ny reclamation avokoa ireo rehetra manana izany mba ahafahan’ny oniversite mandikika azy. Ho an’ny mpianatra nahazo trano tsy mbola nandoha ny hofan-tranony teny amin’ny banky koa, dia io 07 febroary io no farany dia Alana aminy ny trano azony ary omena olon-kafa indray.

Malala Didier  

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici