- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Niatrika atrikasa momba ny « Fiandrihana »

Oniversiten’i Toamasina : Niatrika atrikasa momba ny « Fiandrihana »

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa nokarakarainy oniversiten’i Toamasina sy ny oniversiten’i Toliara, mikasika ny « Fiandrihana » na ny « Maritimisation ». Andiany faharoa ity natao teto Toamasina ity, satria efa nisy ny andiany voalohany natao tany Toliara. Efa nanomboka ny 18 septambra ary nifarana ny 20 septambra ity atrikasa, ka maro ireo mpandray anjara tao anatin’izany.

Nambaran’ireo mpandray anjara fa tena ilaina amin’ny fampandroasana an’i Madagasikara ny ekonomia manga, ka ny ao Sainte-Marie no tsara ametrahana izany. Araka ny fantatra dia efa ahitana andrana amin’izany any an-toerana izay ahitana ny fiarovana ireo vatoara, sy ny “mangrove”, mba ahafahan’ireo zavatra miaina ao anatiny mba mivelona ara-dalana. Fantatra ihany koa fa misy ireo fikarohana mba ahafahana mikaroka fanafody amin’ny alalan’ireo zavatra misy amin’ny tontolo an-dranomasina, satria ny tanjona dia mba tena ranomasina mamelona no misy eto amintsika. Ankilan’izany dia misy ihany koa ny fikarohana amin’ny fiompiana trondro “masovoatoaka” ao Fenerivo Atsinanana amin’izao. Karazana trondro tsy misy any an-toerana ireo nefa anaovana andrana any amin’izao fotoana. Misy koa ny fikarohana amin’ny fiompiana foza ao anatin’ny ala honko ao Manompana sy ao Maroantsetra ihany koa.

Ankoatra izany dia natao teto Toamasina ihany koa ny famaranana faha-120 taona nijoroan’ny akademia Malagasy izay efa nitety oniversite enina teto amintsika. Nambaran’izy ireo tahaka ny tamin’ny atrikasa voalohany, dia hisy ny tatitra ho atao mikasika ity atrikara faharoa momba ny “fiandrihana”, ary haparitaka ho hitan’ny olon-drehetra. Napetraka eto Toamasina ihany koa ny sampana akademia Malagasy antsoina hoe “Société des Amis de l’Academie Malagasy”, tahaka ireo natsangana tamin’ny faritra maro notsidihan’ny akademia Malagasy amin’izao faha-120 taonany izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici