- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Nitokona indray ireo mpianatra

Oniversiten’i Toamasina : Nitokona indray ireo mpianatra

Niverina nitokona indray ireo mpianatra teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, noho ny tsy fahafaham-pon’izy ireo amin’ny fizirizin’ny filohan’ny Oniversite tsy maiky mampidina ilay sara-pisoratana anarana, nambaran’ireto mpianatra fa lafo be loatra ka tsy zakan’izy ireo. Mangataka amin’ny filoha izay nampiantso fivoriana ny zoma sy ny sabotsy teo ny mpianatra, ho fampihenana amin’ny tokony ho izy sy mifanarahaka amin’ireo oniversite hafa, ity sara-pisoratana aranara eto Toamasina. Tsy nanaiky izany anefa ny filohan’ny Oniversite raha ny angom-baovao natao, ka teo no nahatonga ny mpianatra niverina nitokona indray omaly ho tsy fanekena ity resaka sara-pisotana anarana midangana be eto Toamasina ity. Ankilan’izany anefa vao maraina dia efa feno mpitandro filaminana avy amin’ny “Emmo-Sécurité” ny tany Barikadimy, tsy nahasakana ny mpianatra nanao hetsika anefa izany noho ny “Franchise Universitaire”, izay tsy ahafahan’ireo mpitandro filaminana miditra ny tokontanin’ny Oniversite. Na izany dia raikitra ny an-kitoratoraka sy ny an-kadorodoro kodiarana vokatra izany nataon’ireto mpianatra mitokona ho mariky ny tsy fankasitrahany mihintsy ity sara-pisoratana anarana ambarany fa lafo be eto Toamasina ity. Ankoatra izany dia ny toy izao ihany no nahatonga ireo tovolahy dimy lahy nahazo fampiantsoana teny amin’ny polisy ny alakamisy teo, saingy niditra an-tsehatra ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa , ka novotsorana tsy nandalo fakana am-bavany akory ireo mpianatra nampanantsoina. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika hatrany isan’andro ireto mpianatra mandram-pahazoan’izy ireo valin’ny mahafa-po avy amin’ny filohan’ny Oniversite.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici