- Publicité -
vendredi, octobre 17, 2025
AccueilFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Nofantsihan’ireo PAT ny varavaran’ny birao rehetra

Oniversiten’i Toamasina : Nofantsihan’ireo PAT ny varavaran’ny birao rehetra

Tapa-kevitra ireo mpandraharaha teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina nanomboka ny alatsinainy fa nanakatona ny birao rehetra, ka tsy vitan’ny fanakatonana fotsiny izany fa nisy mihitsy ny famantsihana azy mba tsy ho azo idirana. Ireo mpiasa mpandraharaha rehetra avy amin’ny departemanta misy eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina no niatrika izao fitokonana faobe nataon’izy ireo izao. Nambaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny solontenan’ireto mpiasa PAT ireto, Atoa Rakotoniaina Gérard, fa tsy hijanona manomboka izao ny tolona raha tsy efa azon’izy ireo ilay tambin-karama ‘technicité’ notapahina tamin’ny karaman’izy ireo, nefa izay no mba maha-betsaka ny vola raisinay isam-bolana». Nohamafisin’ireo mpiasa mpandraharaha eo anivon’ny oniversten’i Toamasina ireto hatrany fa vao mainka hihamafy ny fitakian’izy ireo raha tsy mamaly ny fangatahan’izy ireo ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, satria efa maro aminy no tsy mahaloa hofantrano sy tsy afaka mampiana-janaka intsony, noho ilay karama nihena be noho ny tsy fisian’io tambon-karama, na ny ‘technicité’,  io intsony. Nandritra izao fitokonana nataon’ny PAT izao koa no nisian’ny fivoriana tampoka nataon’ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, ka nilazan’ity farany fa efa miandry sonia sy laharana eny amin’ny primatiora ilay didim-panjakana milaza ny fanomezana ilay tambin-karama « technicité » takian’ireto mpiasa, izay mety hahatratra 300 000 ariary isan’olona izany, araka ny fanazavana. Nangatahan’ny filoha mpisolo toerana ny oniversiten’i Toamasina koa ny hiasan’ireo tompon’andraikitra isaky ny departemanta mba hisian’ny fidiram-bola amin’ny oniversite. Fotoana fisoratana anarana ho an’ny mpianatra izao izay fotoana fidiram-bolan’ny oniversite izany, ka manomboka tamin’ny 6 septambra hatramin’ny 20 novambra izao no tokony hanaovana izany. Raha vita izany dia miara-miainga avokoa ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ao anatin’ilay « digitalisation » hidiran’ny oniversite malagasy amin’izao. Na teo aza ny fahalalan’ireto PAT ny vaovao momba ilay tambin-karama dia nilaza ny tsy hijanonana amin’ny fitokonany izy ireo raha tsy efa azo am-pelatanana izany, satria efa maro ny lainga sy ny fitaka nataon’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarahona ara-tsiansa sy ny iraka nalefan’ny fanjakana tamin’izy ireo hatramin’izay.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici