Nanaitra ny manodidina ny fandrenesana poa-basy tampoka, ny harivan’ny alakamisy 11 may teo tokony tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, na dia mbola maromaro ihany aza ireo olona mivezivezy tamin’ny faritry ny kianja filalaovam-baolin’ny oniversite Barikadimy. Raha nijery ny zava-nisy ireo mponina manodidina sy ireo sendra nandalo nandritra ny trangana poa-basy ity, dia tovolahy iray antsoina hoe Hajaina Carozo, 25 taona, mpanamboatra finday ao Ambolomadinika, no maty nitsirara tamin’ny tany teo amin’ity kianja ao Barikadimy ity. Raha ny angom-baovao dia avy niasa hamonjy fodiana any Ambalamanasy ny tenany nandritra ity tranga ity. Teo amin’ny tratrany no voan’ny bala tamin’ny tifitra nahazo azy, tsy teny aminy ihany koa ny moto fitondrany miloko fotsy tamin’io nahitana azy io. Raha ny angom-baovao tamin’ireo mahalala ity tovolahy ity anefa dia ahiana ho resaka “valifaty” izao fitifirana azy izao. Sahy nilaza mihitsy ireo fianakaviany fa fantany ny olona tompon’andraikitra tamin’izao famonoana azy izao, na teo aza ny resaka halatra moto nitranga taminy. Nanamafy ny ahiahin’ny fianakavin’ny maty koa ny filazan’ireo mponina manodidina ny kianja filalaovam-baolina nitrangan’ny fitifirana, fa nahare fifamaliana minitra vitsivitsy izy ireo talohan’ny poa-basy nitranga nahafaty ity tovolahy ity. Vao naharay vaovao mikasika ity tifitra ity anefa ny polisin’ny FIP sy ny polisin’ny UIR Toamasina, dia tonga nijery ny raharaha. Nandritra izay dia efa nanomboka ny fikarohana ny manodidina rehetra, ka tovolahy 3 ahiahian’ny polisy no voasambotra hanaovana fanadihadiana. Tsy mitsahatra hatreo ny raharaha fa mitohy hatrany ny fikarohana, nitory rahateo ny fianakavian’ny maty…
Malala Didier