Nisafidy ny zoma misandratrandro teo ny lanonana nofidian’ireo mpianatra fahiny nahatsiaro ireo mpanabe azy. Nisy ny fanolorana amboara ho an’ireo mpanabe ireo, satria betsaka ny soa notoavina tamin’izy ireo hoy ireo mpianatra fahiny. Betsaka ireo mpianatra fahiny ireo no efa lasa mpitantanana eto amin’ny firenena ankehitriny, ka sambany ny oniversiten’i Toamasina no nanao lanonana tahaka izao. Araka ny nambaran’ireo mpianatra fahiny teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, dia misy amin’izy ireo no mihazona ny talen’ny banky foiben’i Madagasikara sy ny tale ny hetra ary ny maro samy hafa ankehitriny. Nambaran’ireo mpanabe fahiny fa « ny fampianarana dia tsy safidy ny asam-pampianarana fa safidy ara-piainana » (François Mitterant). Isaorana ianareo hoy izy ireo fa tsy maty vao ramalala ireo mpanabe fahiny ireo, koa mianara fa efa mahay ny mpianatra iray dia mahazo ny toerana tadiaviny, hoy Atoa Andriamaro Henry mpanabe. Ankoatra izany dia ny taona 1977 no nanomboka ny fampianarana teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina, ka raha ny fampianarana momba ny fitantanana no tao tany amboalohany dia ankehitriny efa misy koa ny fampianarana momba ny « lettre » sy momba fitsaboana ary momba ny fambolena. Araka ny voalazan’ireto mpianatra fahiny ireto dia hitohy sy hoatsaraina ny fizotrany raharaha, ka mety atao isaky ny « andiany indray mihira » ny zavatra hatao.
Malala Didier