Ireo no vokatra azo tao anatin’ny 20 andro niatombohan’ny « opératiuon coup d’arret » nanerana ny faritra atsimon’ny nosy iny.
Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny zoma teo ny kolonely Rakotoarison Anthony sy ny kolonely Randrianarimanana Mosesy, tetsy amin’ny toby Ratsimandrava. Mizotra mankany amin’ny fahombiazana izany fampandriana fahalemana sy ady amin’ny asan-dahalo izany. Efa nanomboka ny 7 jiona teo moa ity “operation” ity, ka nandritra izay dia efa nidina hatrany amin’ny 1O no karazana halatra omby niseho, ary omby 771 no tafaverina tamin’ireo omby 1235 voaroba. Omby 844 kosa no voahidy ao amin’ny toby, izay iandrasana ireo tompony.
Nandritra izany ihany koa no nahafatesana dahalo miisa 62 nitambatra tamin’ireo faritra mena. Dahalo 31 kosa no azo sambo-belona. Basim-borona miisa 7 ihany koa no azo tany amin’ireo malaso. Ny tany Manja kosa no naharatrana zandary miisa 3 tamin’ny fifampitifirana tamin’ireo dahalo ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ireo tamin’izany.
Efa nisy ihany koa ny fisamborana delegean’ny kaominina miisa 2 izay ny iray izay nitsikombakomba tamin’ireo mpangalatra omby ary ny faharoa kosa ilay manao ny taratasy fanadiovana ireo omby halatra mba ho azo amidy avy eo.
Ny faharoa kosa dia momba ireo fahatratrarana basy tany Toamasina ny 22 may teo, basim-borona 360 sy bala 3400 ary ny 31 may teo, izay nahatratrarana basim-borona 72 sy bala miisa 2000. Notsipihan’ny kolonely tamin’izany ary fa tsy voatery ho meloka akory ny olona hatao famotorana fa izay ny lalana hitadiavana ny marina. Hahitana sivily sy miaramila ireo olona izay natao fanadihadiana ireo raha 50 no natao famotorana, olona 17 no nanaovana fisavana ny tranony ary olona 5 kosa no efa voatana any am-ponja amin’izao. Efa natazomina ihany koa ny fiara roa izay nahitana ireo bala ireo. Mbola mitohy hatrany moa ny famotorana ka mety tsy ho ela dia hivoaka ny tena marina momba iny raharaha iny.
ALEM