Nanao famelabelaran-kevitra toy ny mahazatra ny alakamisy tolak’andro teo ny Lehiben’ny DSR(Diorection de Sécurité et des Renseignements) ny Kolonely Rakotoarison Anthony teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nisongadina tamin’izany ny fahitana karazany 5 teo amin’ny sehatra halatr’omby. Notaterina tamin’izany moa ny isan’ny omby very izay nahatratra 732, ka tafaverina tamin’izany ny 573 izay misalan’isa eo amin’ny 78% eo ho eo. Teo ihany koa ireo omby nampidirina ao amin’ny zandary, izay miandry ny tompony haka azy miisa 433, fitaovam-piadiana toy ny basim-borona. Tetsy ankilany dia nisy ireo rongony tratra tany Betroka , 52 gony ary milanja any ho any amin’ny 700 kg.
Ny dahalo kosa dia mananika any amin’ny 26 izao ny totalin’ny efa maty, nandritra ny fifanandrinana, ny farany teo izao, ny tao Ankazoabo-Sud dia ny notifirin’ireo dahalo ny fiara 4X4 tsy mataho-dalana ka voatery namaly ireto zandary ka 2 tamin’ireo dahalo ny lavo tamin’izany. Ny dahalo koa moa etsy ankilany dia mampiseho hery iray ohatran’ny mihantsy mihitsy aza indraindray amin’ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanany.
Niaiky moa izy ireo tamin’izany fa mafimafy tokoa ny fanatanterahana ny “operation coup d’arrêt” ary tsy hamindrana fo mihitsy na ny dahalo mifanehitra izany ,na ny ao anatiny izay mihoa-pefy ary anisan’ny nanomezany ohatra tamin’izany ny momba ilay raharaha fanafarana an-tsokosoko fitaovam-piadiana izay nahavoarohirohy manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ka voatana any am-ponja amin’izao fotoana izao eo am-piandrasana ny fitsarana azy.
ALEM