Vokatra azo avy amin’ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana nampandry tany no nahalalana fa, dahalo eo amin’ny 45 no voasambotra ka naratra ny fito. Etsy andaniny, olona enina no namoy ny ainy ary enina hafa maratra miampy zandary iray. Nivoaka tamin’ny fanadihadiana tany an-toerana fa, ilay basy MAS 36 tafaverina dia ny G2C Rafaralahy no tompony. Nitantara ny fandehan’ny nahazoan’ny dahalo ny basiny izy. Tamin’ny 25 novambra 2013 no very io basy io. Voasambotry ny malaso izy tamin’izay niaraka tamin’ny namany iray. Maty io namany io. Izay azo sambo-belona ary nampisafidy azy ireo olon-dratsy na ny basy na ny ainy. Nomena an-dry zalahy ny basy ary afaka nandeha izy. Notifirin-dry zalahy teo amin’ny tongony. Tamin’ny 6 ora maraina izany zavatra iany no niseho, araka ny fitantarany ihany. Zavanisy iray teo anatrehan’ny maro niseho tany Atsimo ity tantarainy ity.
r.s.