- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-Divers“Opération coup d’arrêt” : Fizarana mari-pankasitrahana

“Opération coup d’arrêt” : Fizarana mari-pankasitrahana

Omaly no notontosaina teny amin’ny Toby Hery Vonjy Taitra (FIGN) eny Fort Duchesne ny fanoloarana mari-pankasitrahana ho an’ireo zandary nandray anjara tamin’ny “operation coup d’arrêt” tany amin’ny faritra atsimo. Mitotaly 145 mirahalahy ireo nahazo “lettre de felicitation”ka ahitana manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ary 69 kosa ireo miaramila nahavita ny fanompoam-pirenena, izay nahazo ny “cerificat de bonne conduite”. Ny lanonana dia notarihan’ny kaomandin’ny hery vonjy taitran’ny Zandarimariam-pirenena,ny Kolonely Ramiandrisoa Jean de Dieu Daniel ary notronin’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ,ny Jeneraly Rakoto François Rodin. Nivohitra tamin’ny kabarin’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, fa noho ny fahamendrehana tamin’ny fanatontosana ny adidy, indrindra fa tamin’ny fiadiana tamin’ny asan-dahalo tany atsimo; izay nahazoana vokatra azo tsapain-tanana ka nampilavo lefona ireo dahalo tany no nahazoana izao mari-pakasitrahana izao.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser