- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-Divers« Opération coup d’arrêt » : Lehilahy 3 nosamborin’ny FIP noho ny fitondrana...

« Opération coup d’arrêt » : Lehilahy 3 nosamborin’ny FIP noho ny fitondrana antsy lava

Isan’ny faritra tena mafana tokoa iny 67 ha sy ny manodidina iny ka tsy mahagaga raha mailo dia mailo ireo mpitandro filaminana raha vao mahita zavatra mampiahiahy azy ireo.  Zatovo lahy miisa telo, 26 taona ny roa ary 16 taona ny iray, no nosamborin’ireo polisy avy ao amin’ny  Hery Vonjy Taitra  (FIP) etsy Antanimora nandritra ny fisafoana nataon’ireto farany teny amin’iny faritra iny, ny alakamisy lasa teo tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny « opération coup d’arrêt » mba hitandroana ny filaminana eto Antananarivo. Tao anatin’ny fisafoana amin’ny alina izay indridra no nifanena tamin’ny polisy ireto tovolahy ireto. Nandritra ny fisavana azy ireo no nahitana antsy lava roa toy ireny fampiasan’ny mpanendaka ireny sy antsy salantsalany iray hafa tany amin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisaria boriborintany faha-7 etsy amin’ny 67 ha ireto tanora ireto mba hanaovana fanadihadiana. Nandritra izany no nahafantarana fa olona mipetraka eny Antsalovana izy ireo saingy izao hita teny amin’ny 67 ha amin’ny andro alina izao ary mbola nahitana zava-maranitra ihany koa. Inona ary no nataony teny tamin’io ora io. Ho hita miandalana eo ihany izay ho valin’ny famotorana.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici