Ankoatra ny fampandrian-tany, tsy adinon’ny ao amin’ny zandary koa ny miady amin’ny fanimbana ny ala izay manimba ny tontolo iainana
Omaly maraina, nihaoana tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny toeram-piasany ny sekreteram-panjakana eo anivaon’ny Zanadrimaria ny jeneraly Paza Didier. Niompana tanteraka tamin’ny resaka fandriampahalemana ny resaka tamin’izany. Voatanisa avokoa ny ny toe-draharaha mafana teto amin’ny firenena tao anatin’ny herinandro vitsy lasa. Ny tena nifantohan’ny resadresaka dia ny “opération coup d’arrêt”. Fantatra tamin’izany fa raha tokony nifarana tamin’ny faha-7 jolay izany dia nohalavaina folo andro indray. Ny vaovao avy any amin’ny faritra atsimo no nanombohana izany ka nilazana fa nisy ny vaovoa tsy marina novoizina tamin’izany. Niteny io vaovao fa naka omby hatrany amin’ny 200 ny zandary, ary nahodina ny ampahany sady nanimba trano fonenana. Tsy izany anefa ny zava nisy fa hafa mihitsy. Voaresaka tao koa ny mikasika ireo fitrandahana lazaina fa tsy ara-dàlana vatosoa nataona orinasa sinoa any amin’iny faritra atsimo iny ihany. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Trafikana basy. Mikasika ny trafikana basy marobe tratra tany Toamasina tamin’ny volana may lasa teo, re teny an-toerana fan a dia efa maro aza ireo nohadihadiana sy ireo nampidirina am-ponja dia mbola misy olona 25 karohina amin’izao fotoana izao. Voarohirohy amin’ity trafika ity avokoa izy ireo. Tsy aty an-drenivohitra sy any Toamasina ihany fa manerana ny nosy mihitsy ny fitadiavana azy ireo.
Natsidika koa ny mikasika ilay zandary namono tena teny Mahitsy afak’omaly. Tsy adinon’ireo tompon’andraikitra ny zava-doza natoana miaramila tany Ambato Boeny nitifitra olona sy nandoro trano. Nasiana teny kely koa ny zavatra niseho tetsy mahamasina ny andron’ny faha-26 jona teo nahaatesana olona roa. Fifanosehana hiditra hijery lanonana no nahatonga izany, araka ny re teny an-toerana. Tsy nisy resaka nidiran’ny alika mihitsy tamin’io andro io.
nangonin”i r.s.