Nanao valandresaka teny amin’ny Toby Ratsimandrava omaly ny tompon’andraikitra misahana ny “coup d’arrêt” any Atsimo.
Novelabelarina tamin’izany ny raharaha mikasika ny fampandrian-tany atao any Amboasary-Sud sy ireo tanàna manodidina sy ny “opération coup d’ arrêt”. Ny Kolonely Rakotoarison Anthony no nanao ny fanazavana tamin’izany. Ny tao Ambatotsivala sy Andranondambo, izay nisehoana fifamonoana ka nanaovana ny dinik’asa ny 11 jiona farany teo, ka hamerenana tsikelikely ny tanàna amin’ny laoniny, efa miverina tsikelikely moa ireo tanàna manodidina amin’izao ary misy ny fiaraha-miasa amin’ny PAM( Programme A limentaire Mondial) izay misahana ny fizarana sakafo ho an’ireo mponina traboina amin’ireo tanàna roa ireo. Anisan’ny tratra nandritra ny fisavana ihany koa ny tafo fanitso 46 tao an-tokatranon’olona iray sy ny fahitana omby 75 ,izay nilaozan’ireo dahalo. Tao Andranondambo no nahafatesana dahalo 6 sy olona 2 voasambotra izay niray tetika tamin’ireo malaso tany an-toerana.
Ny « operation coup d’ arrêt » kosa indray dia ny hetsika ataon’ny zandary ho fampandriana fahalemana ny tany masiatsiaka amin’ny asan-dahalo, izay manomboka aty avaratra atsinana ka hiafara any atsimo ; ary toy ny manao sary na « croissant » ny izay hiaraha-miasa amin’ny FIGN, ka hanaovana sava hao ireo fieren’ny dahalo sy ny lalana tsy maintsy andalovany rehefa avy mangalatra omby izy ireo. Anisan’ny mbola mafana amin’izany ny faritra Betroka iny izay anisan’ny misy dahalo gaigy lahy tokoa ary tsy matahotra mifanandrina amin’ny mpitandro filaminana, izay mifanehitra aminy. Vokatra azo farany tany moa ny famerenana ny omby 150, ny nahafatesana dahalo 9, ny olona nanampy na nandray anjara tamin’ny fanafihana 9 ary ny fahatratrarana basy 1 vita gasy sy basim-borona iray. Mbola hitohy hatrany ny hetsika ho fampan-driampahalemana.
Alem