Mba haidiana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 dia manamafy hatrany ny fampiharana ireo fepetra rehetra mifandraika amin’izany ny polisim-pirenena ao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy. Ankoatry ny fanenjehana ireo tsy manao arovava orona dia ezahina mafy ny amin’ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny olona sy ny fiara amin’ny alalan’ny fametrahana sakana ara-pahasalamana sy ara-pahandriampahalemana na «barrage de sécurité » amin’ny alalan’ny fanaovana ny atao hoe « opération coup de poing ». Nahitam-bokany izany teo amin’ny fampandriana fahalemana ny tanàna tamin’ny Alahady 13 septambra lasa teo. Lehilahy miisa 02 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Distrikan’ny Tsiroanomandidy nandritran’ny « Barrage de sécurité » izay natao tao Ambohitsoa, kaominina ambonivohitr’i Tsiroanomandidy. Tokony ho tamin’ny 05 ora sasany hariva no nosakanana ireto lehilahy 24 taona sy 36 taona ireto rehefa nampiahiahy ny Polisy ny fihetsiny. Tamin’ny fisavàna azy ary dia basy vita gasy iray sy ody gasy maro no tratra teny amin’izy roalahy ireto. Nandritra ny fanadihadiana azy dia nilaza ho mpimasy sy mpamboly ny asan’izy roalahy. Mbola mitohy kosa ny famotorana mahakasika ilay basy sy ny saika hampiasana azy.
T.M.