Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny teo anivon’ny Polisim-pirenena notarihin’ny « Commissaire Principal de Police » Rakotondrasoa Jean de Matha, omaly, nentina nampahafantarana ireo ezaka vita ho fanatsarana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny Nosy. Zavatra telo loha no nodinihina tamin’izany izay samy tafiditra ao anatin’ilay paikady hetsika « force de frappe ». Anisan’ny nanaovana ezaka manokana ny famongorana ny asa fakàna an-keriny. Nahitam-bokany tokoa ity hetsika ity satria hatreto olona 12 izay voamarina fa mpandray anjara tamin’ilay fanafihana ny tobin-tsolika Jovenna Ambatomainty ny volana Martsa lasa teo, fanafihana ny Jovenna Anosizato, fakàna an-keriny nalaza ny taona 2015 toy ny tao amin’ny Conforama, ny 30 jona lasa teo teny Ambohidratrimo ary ny 19 may lasa teo teny Besarety no voasambotry ny Polisy. Tratra teny amin’izy ireo ny basy kalach mahery vaika iray sy poleta efatra, fanapahana vavahady vy sy saron-tava ary « cachet » sandoka betsaka an’ny Fanjakana, akanjo miaramila, niampy « badge » sandoka an’ny polisy nasionaly nisy ny sary sy anaran’ilay olona tratra am-bodiomby nanao « kidnapping » teo amin’ny Saint Michel Amparibe. Raha zohina ny fomba nisamborana azy ireo, nisy olona iray nampiahiahy ny polisy, voalaza fa saika hanao fanafihana mitam-piadiana eny faritr’Ambodifilao, Behoririka, Ankadifotsy sy ny manodidina iny, ny zoma 15 jolay lasa teo no fantatra fa nihaodihaody teny amin’ireo toerana voatanisa ireo ny asabotsy 16 jolay lasa teo ary mbola niverina teny ny alatsinainy 18 jolay. Ny ampitson’io anefa, izany hoe ny talata 19 jolay, dia fantatra fa nifanao fotoana tamin’olona iray hafa efa diso fantatry ny « Service criminel » teny Ankadikely Ilafy io olona io. Nosamborina avy hatrany izy ireo tamin’izany. Noho ny vela-pandrika efa tsara petraka natao teny Andravoahangy, lehilahy iray izay nahatrarana ny basy poleta sy ny akanjo miaramila no tratra tamin’izany. Io farany io no nanoro ireo sisa ambiny izay tratra teny Ankadifotsy. Fantatra fa natolotra ny Fampanoavana omaly izy 12 ireo.
Niony H.