- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-Divers« Operation Mandio » Toamasina : Taolam-paty 50 kilao sarona

« Operation Mandio » Toamasina : Taolam-paty 50 kilao sarona

Feno folo andro omaly ny fotoana nanombohan’ny “operation mandio” ataon’ny vondrom-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsinanana. Taorian’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo fokonolona sy ny fanamafisana ny fanangonam-baovao eo anivon’ny andrimasom-pokonolona, dia nisy ny vokatra azon’izy ireo ankehitriny.

Teo ny fahatrarana ireo ekipa mpanendaka eo amin’ny sampanan-dalana Cité Canada, indrindra ny faran’ny herinandro, amin’ny fisian’ireo olona mamonjy lanonana sy alim-padihizana mody maraim-be. Tovolahy telo manodidina ny 18 taona sy 19 taona avokoa izy ireo no mpanao izany, ka ireo vehivavy na mandeha irery na manao andiany, sy ireo olona hitan’izy ireo mamo no tena lasibatra mandritra izany, satria tamin’ny fotoana nahatrarana azy telo lahy ireo dia mbola tratra tany amin’izy ireo avy ny antsy be fampiasan’izy ireo entina mandrahona olona, na entina mihitsy hamonoana izay be famaliana amin’ny fanendahana ataon’izy ireo. Nilaza ny zandary Toamasina ao anatin’izao “operation mandio” izao fa tsy izy telo lahy ireto ihany no ekipa mpanao ity fanendahana ity fa mbola misy andiany ifampitadiana koa izao.

Nisy koa ny nahasamborana ireto mpivarotra rongony sy mpidoroka izany ambodiomby nataon’ireo zandary ao anatin’ny “operation mandio”. Tovovavy renim-pianakaviana no tena mpivarotra sy mpanaparitaka azy ity eto Toamasina, izay efa vita fonosana hifohana ireto rongony tratra, ireo tovolahy roa izay vao 18 taona avokoa kosa dia mpidoroka izany. Nambaran’ny komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandary Atsinanana, ny Kly Ranaivoarison Théodule, fa ny fisian’ireto rongony miparitaka eran’ny tanana sy atao varotra mandeha eran’ny tanana ireto no tena isan’ny mampirongatra ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina, satria mihevitra azy ho tena mafy be sy be sandry avokoa ireo mpidoroka izany ka lasa manaotao foana, ary saika sahy manomo olona mihitsy ireto tanora mpidoroka mandritra asan-jiolahy ataon’izy ireo.

Ankoatra izay dia tratran’ny zandary tao Tanandava ihany koa ny taolam-paty milanja 50kgs izay saika taolan-dava avokoa, tao anatin’ny harona roa mizara 25kgs avy. Taorian’ny fahazoan’ny zandary ny vaovao dia tonga izy ireo nanamarina ny fisian’izany, saingy vao nahita ireto zandary ilay rangahy nitondra azy dia nitsoaka tany anaty ala ka navelany teo ireto taolam-paty 50kgs nokasainy hitadiavana mpividy teto Toamasina. Halevina eo anivon’ny fasam-bahiny eto Toamasina ireto taolan-dava ireto noho ny tsy fahalalana ny toerana niaviany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici