Efa maromaro ihany izay, hoy ireo tsy mahay manisa, raha izay voasambotry ny pôlisy, taorian’ilay fametrahana paikady manokana, hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahelamana izay, raha ny teto an-drenivohitra manokana. Ny alahady lasa teo dia niampy roa indray ireo tontakely voasambotry ny avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny amin’iny faritra 67ha iny. Raha ny vaovao azo dia fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahana nisambotra ireto mpanendaka ireto, izay marihana fa efa mpamerin-keloka ny iray, hoy hatrany ny fanazavana azo. Efa mpihaodihaody matetika eny an-toerana mantsy ry zalahy ireto, ary efa nampitondra faisana mpandalo, mpiantsena, mponina manodidina iny faritra iny. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy aza moa ry zalahy ireto, hoy hatrany ny vaovao saingy tafatsoaka. Raikitra teo ny fanenjehana ka ny iray tamin’ireo no tsy lasa lavitra akory ilay toerana nanaovany ny asa ratsy dia tratra, raha taty akaikin’ny fanariam-pako, tsy lavitry ny Paositra ny iray. Nentina nihazo ny birao avokoa izy roa lahy ireto.
Nangonin’i m.L