- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversOram-be eto Toamasina : Niakatra ny rano, olona efatra maty an-drano…

Oram-be eto Toamasina : Niakatra ny rano, olona efatra maty an-drano…

Tsy misy toerana tsy dimbon-drano eto Toamasina, nanomboka ny faran’ny herinandro teo vokatry ny ora-mikija nateraky ny andro ratsy mihaodihaody ny fari-dranomasina avaratry ny nosy iny. Araka ny vaovao voaray dia namono olona efatra ilay fiakaran’ny rano tao Antetezambaro sy Antanambao Nosibe, ka ny iray tamin’ireo ihany no mbola hita ny fatany.  Raha ny fantatra dia nanaraka lakana lasanny rano ratsy fatotra no nahafaty ireo olona efatra ireo, ary mbola mitohy ny fikarohana azy ireo. Raha ny eto Toamasina renivohitra sy ny manodidina kosa dia saika feno rano avokoa ny toerana iva rehetra amin’izao, ka isan’ireny ny fokontany Andranomadio, Mangarano, Ankirihiry, Mangarivotra, Barikadimy, Tanambao verrerie, Depot, Anjoma…ary Tanamborizano. Manampy trotraka ireo ny fahapotehan’ny lalana izay miteraka fitohanana sy fahasimban’entana entona kalesa noho ny fihonganany. Hatreto aloha dia ny samy vahoaka ihany no mifanampy isam-pokontany, fa ny fanjakana mbola mitazana ny zava-misy fotsiny. Ankilan’izany koa ny fahatapahan-jiro izay tena mampikolahy ny vahoaka, nefa ny jirama tsy mitondra fanazavana akory vokatra ilay fahatapahana. Maro ireo fokontany hitrangan’izany isan’andro araka ny vaovao voaray, ka maro ny asa mihitsoka vokatra izany eto Toamasina. Ankoatra izany nitrangana hai-trano goavana tao Salazamay mifanakaiky ny tobin’ny zandary sy eo ampitany hopitaly manarampenitra Morafeno. Trano efatra no fantatra kila forehitra hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, ka mampanahy ireo may trano ny antony nahatonga ny loza satria tany miady ity tany misy mpivarotra sy trano fipetrahana ùaro be ity ; ka miangavy ny vahoaka ny mba hanaovana tsara ny fanadiadiana niavoan’ny afo mba hamantarana ny tena anton’ny loza.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici